Ny mpikomy amin' andriamanitra sy ny mesiany


Retour

Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena?

2. Ireo mpanjakan'ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:

Numéro de page - 206

3. "Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany."

4. Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.

5. Dia hiteny azy amin'ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin'ny fahatezerany hoe:

6. "Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin'i Ziona, tendrombohitro masina."

7. "Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako HIanao , Izaho niteraka anao androany.

8. Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran'ny tany ho fanananao.

9. Hotorotoroinao amin'ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy."

10. Ary amin'izany dia hendre hianareo, ry mpanjaka; minoa anatra hianareo, ry mpitsaran'ny tany.

11. Manompoa an'i Jehovah amin'ny fahatahorana, ary mifalia amin'ny fangovitana.

12. Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana hianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.

Numéro de page - 207