ADVENTA
Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; indro ny Mpanjakanao avy ho anao Zak ix.9
KRISTMASY
Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika Isa ix.5
EPIFANY
Ny mpanjaka rehetra hiankohoka eo anatrehany; ny firenena rehetra hanompo Azy Sal Ixxii.11
FOTOAM-PIFADIANA
ALAH.1-4 Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin’I Jehovah Andriamanitrareo; fa mamindra fo sy miantra Izy Joela ii,13
ALAH 5-AS ALOH.Ny latsa dia manorotoro ny foko, ka reraka indrindra Aho; ary miandry antra Aho, fa tsy nisy, sy mpanony; fa tsy nahita Sal Ixix.20
PASKA
Efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy ho santatr’izay efa nodi-mandry I Kor xv, 20
NIAKARANA
Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata hianareo, ary varavarana fahagola, mba hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra Sal xxiv.5
PENTEKOSTA
Handatsaka ny Fanhiko amin’ny nofo rehetra Aho Joela iii.1
TRINITE
Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny Anaranao Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina Apok xv.4
FESTAN’NY SANTA
Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; ary ny olonao masina misaotra Anao Sal cxIv 10
NY NODI-MANDRY
Tsy misy velon-ko an’ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an’ny tenany. Fa raha velona isika, dia velona ho an’ny Tompo; ary raha maty isika dia maty ho an’ny Tompo; koa amin’izany, na velona na maty isika, dia an’ny Tompo ihany Rom xiv.7,8
ANDAVANANDRO
AOKA hazava eo imason’ny olona ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo, Izay any an-danitra S.Mat v.16
Aza mihary harena ho anareo ety an-tany izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamintrano sy mangalatra.
Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamintrano na mangalatra S.Mat vi19.20
Na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy profeta S.Mat vii.12
Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra S.Mt vii.21
Raha izahay namafy izay zava-panahy ho anareo, dia zavatra lehibe va raha mba mijinja izay ananareo araka ny nofo kosa izahay? IKor ix.11
Tsy fantatrareo va izay manompo amin’ny zavatra masina dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary izay manompo eo amin’ny alitara dia miombona amin’ny alitara? Toy izany koa ny nandidian’ny Tompo, fa izay mitory ny Filazantsara dia hahazo fivelomana amin’ny Filazantsara I Kor ix.13,14
Izay mamafy kely dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany. Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay ninian’ny fony avy tsy amin’alahelo, na amin’ny faneriterena; fa “ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra” 2Kor ix6.7
Aoka izay ampianarina ny tena mba hahafoy zava-tsoa ho an’izay mampiantra. Aza mety hofitahina hianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany Gal vi 6.7
Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana Gal vi.10
Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana. Fa tsy mitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala I Tim vi 6.7
Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, raha nanompo ny olona masina hianareo, sady mbola manompo ihany Heb vi.10
Aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra Heb xiii.16
Izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny, ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny? I Jaona iii.17
Manomeza fiantrana avy amin’ny fanananao ary aza ilaozanao mihodina ny mahantra, mba tsy hihodinan’I Jehovah aminao kosa Tobit iv.7
Miantrà araka ny zakanao: raha be ny fanananao, manomeza be; raha kely ny fanananao, mazotoa manome amin’ny fifaliana avy amin’izany kely izany; fa izany no ahazoanao valim-pitia be, raha mby amin’ny andro mahory Tobit iv.8,9
Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’i Jehovah ary izay nomeny dia honerany kosa Ohab ixi.17
Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo: Jehovah hamonjy azy amin’ny andro fahoriana Sal xIi.1
Hianao no hanaterako fanati-pisaorana ary ny Anaran’i Jehovah no hantsoiko. Hanefa ny voadiko amin’I Jehovah aho, eny eo anatrehan’ny olona rehetra Sal cxvi.17-18
Raha mbola vakina ireo andininy ireo, dia handray ny fiantrana ho an’ny malahelo sy ny fanatitra hafa ny olona voatendry hanao izany; ary hitondra izany amin’ny Presbytera, ary izy kosa dia nanatitra azy amim-panetrentena eo ambonin’ny Alitara