Midera Anao izahay Andriamanitra ô : manaiky Anao ho Tompo izahay
2. Mitsaoka Anao ny tany rehetra: Ray mandrakizay
3. Midera Anao ny Anjely rehetra: ny Lanitra sy ny Heriny rehetra
4. Midera Anao amin’ny feo tsy mitsahatra ny Kerobima sy ny Serafima hoe:
5. Masina, Masina, Masina: Tompo Andriamanitry ny maro
6. Manerana ny lanitra sy ny tany: ny Fiandrianan’ny Voninahitrao
7. Midera Anao: ny fivorian’ny Apostoly malaza
8. Midera Anao: ny fikambanan’ny Profeta tsara
9. Midera Anao: ny hamaroan’ny Maritiora mitafy lamba fotsy
10. Manaiky Anao ny Eklesia masina: manerana izao tontolo izao
11. Ray manana fiandrianana: tsy hita lany
12. Ny Zanakao be voninahitra: sy marina ary lahitokana
13. Ary ny Fanahy Masina: Izay Parakleto
14. HIANAO no Mpanjakan’ny Voninahitra: kristy ô
15. Hianao no Zanaky ny Ray: mandrakizay
16. Raha vao haka ny fomban’olombelona hanavotana azy Hianao: dia tsy nolavinao ny ho ao am-bohoky ny Virijina
17. Rehefa nandresy ny fanindronan’ny fahafatesana Hianao: dia novohanao ny Fanjakan’ny Lanitra hidiran’ny mino rehetra
18. Mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra Hianao: ao amin’ny Voninahitry ny Ray
19. Mino izahay fa ho avy Hianao: ho Mpitsara anay
20. Izany no ifonanay Aminao, mba hanampianao ny mpanomponao: izay navotanao tamin’ny Ranao soa indrindra
21. Ataovy isan’ny Santanao izy: any amin’ny voninahitra mandrakizay
22. TOMPO ô, vonjeo ny olonao: ary tahio ny lovanao
23. Manapaha azy: ary asandratro mandrakizay izy
24. Mankalaza Anao: isan’andro isan’andro izahay
25. Ary mitsaoka ny Anaranao: mandrakizay doria
26. Aoka ho sitrakao, Tompo ô: hiaro anay anio tsy hanota
27.Mamindrà fo aminay, Tompo ô: mamindrà fo aminay
28. Tompo ô, aoka ny famindramponao hitoetra aminay : araka ny anantenananay Anao
29. Tompo ô: Hianao no efa nitokiako: aoka aho tsy ho menatra mandrakizay