Valiny
Isaorana anie ny Tompo
(Ho hiraina ny hira araka ny andro ao amin'ny Kalendara)
(Office hymn)
Ary rehefa vita izany dia hitsangana ny olona ka hovakina ny Filazantsara, ary alohan'izany dia hataon'ny mpamaky hoe:
Homba anareo anie ny Tompo.
Valiny
Ary homba ny fanahinao.
Presbytera
Ny Filazantsara masina dia nalaina avy amin’ny Filazantsara…… amin’ny toko………….miatomboka amin’ny andininy……………..
Dia hataon’ny olona hoe:
Voninahitra ho Anao, ry Tompo ô!
Ary rehefa voavaky ny Filazantsara dia hataony ny hoe:
Izany no filazantsaran’I Kristy (raha tononina)
valiny
Isaorana anie Hianao ry Tompo ô noho izany Filazantsaranao Masina izany
Dia hatao amin’izao ity Foto-pinoana ity izay azo avela amin’ny andavanandro, afa-tsy raha Fety lehibe ary mbola mitsangana ihany ny olona
IZAHO mino an’Andriamanitra iray, Ray Tsitoha, mpanao ny lanitra sy ny tany, ary ny zavatra rehetra na ny hita na ny tsy hita.
Ary an’i Jesoa Kristy Tompo iray, Zanaka lahy Tokan’Andriamanitra. Nateraky ny Rainy talohan’izao rehetra izao, Andriamanitra avy amin’Andriamanitra, ny Mazava avy amin’ny mazava, Andriamanitra tokoa avy amin’Andriamanitra tokoa. Nateraka fa tsy natao,
Miray Sobstansia amin’ny Ray. Izy no nahariana ny zavatra rehetra: nidina avy any an-danitra ho antsika olombelona sy ho famonjena antsika Izy. Ary nataon’ny Fanahy Masina nofo avy tamin’I Maria Virijina, ary natao olona, Dia nohomboana tamin’ny hazo fijaliana ho antsika tamin’ny nanapahan’I Pontio Pilato . Nijaly izy ka nalevina. Ary nony tamin’ny andro fahatelo dia nitsangana araka ny Soratra Masina Izy: dia niakatra any an-danitra, Ary mipetraka eo an-kavanan’ny Ray ary ho avy indray amin’ny voninahitra hitsara ny velona sy ny maty; Ary ny fanjakany dia tsy hanam-pahataperana.
Ary izaho mino ny Fanahy Masina, Tompo sy Mpanome aina, Izay avy amin’ny Ray sy ny Zanaka, Izay hitsaohana sy ankalazaina miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka, Izay niteny tamin’ny vavan’ny Profeta. Ary mino ny Eklesia Iray, Masina, Katolika sy Apostolika: ary manaiky ny Batisa iray ho famelan-keloka aho; Manantena ny fitsanganan’ny maty, Ary ny fiainana ho avy Amena.
Dia hambaran’ny Ministera amin’ny olona izay Andro Festa sy Andro Fifadiana hotandremana amin’io herinandro io. Ary holazaina koa ny andro hanaovana ny Komoniona Masina sy ny anaran’ny olona izay hatao Mariazy.
Ary tsy hisy hilaza zavatra ao am-piangonana afa-tsy ny Ministera ihany
Ary dia hatao amin’izao ny Toriteny
Ary ny Persbytera dia hiverina eo amin’ny Alitara, ka hamaky amin’ireto andininy manaraka ireto, araka ny ataony ho mety.