Ny Ministera
1. ARY Nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrao; Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
2. Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay ety amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo antrehany ary aza manompo azy; (fa Izaho Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro, ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy; nefa kosa mamindra fo amin’ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko).
3. Aza manonona foana ny Anaran’I Jehovah Andriamanitrao; (fa tsy hataon’I Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny Anarany).
4. Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan’i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; (koa aza manao raharaha akory ianao amin’izany, na ny zanakao-lahy na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao na ny ankizivavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. Fa henemana no nanaovan’I Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin’ny andro fahafito; izany no nitahian’i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy).
5. Manaja ny rainao sy ny reninao, (mba ho lava andro hianao ao amin’ny tany izay omen’I Jehoavah Andriamanitrao ho anao)
6. Aza mamono olona
7. Aza mijangajanga
8. Aza mangalatra
9. Aza mety ho vavolombelona mandainga (hanameloka ny namanao)
Isaky ny votonona ny didy iray dia hataon’ny olona hoe:
Tompo ô, mamindrà fo aminay, ary tariho ny fonay hankato izany lalàna izany
Ny Ministera
10. Aza mitsiriritra (ny tranon’ny namanao aza mitsiriritra ny vadin’ny namano, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny na) izay mety ho an’ny namanao (akory aza).
Ny olona
Tompo ô, mifona aminao izahay, mamindrà fo aminay, ary soraty ao am-ponay ireo lalàna rehetra ireo
Tsy maintsy atao toy izany indray mandeha isam-bolana ao amin’ny poaroasy ny Didy folo fara-fahakeliny, ary indray mandeha isan’Alahady amin’ny Adventa sy ny Fotoam-pifadiana.
Amin’ny andro hafa dia azo asolo azy ny tenin’ny Tompo ao amin’i S Mat xxii 37-40 hoe:
Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra. Izany no didy lehibe sady voalohany. Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Izany didy izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny profeta.
Ka atao indray mamaky, ary ny valiny dia toy ny valin’ny Didy I Azo asolo azy koa ny hoe:
Tompo ô, mamindrà fo aminay
Kristy ô, mamindrà fo aminay
Tompo ô, mamindrà fo aminay
Dia hanatrika ny alitara indray ny Presbytera ka hivavaka ho an’ny Mpanapaka hoe :
ANDRIAMANITRA Tsitoha sy mandrakizay ô, efa nampianarin’ny teninao masina izahay, fa eo ambanin’ny fahefanao ny fon’ny mpanapaka rehetra, ary Hianao dia mitondra azy araka ny fahendrenao masina. Mangataka aminao izahay mba ho tapahinao ny fon’ny Prezidan’ny Repoblika mpanomponao mpitondra anay, mba hitadiavany mandrakariva ny voninahitrao sy ny lazanao amin’ny heviny sy ny teniny ary ataony rehetra, ary hiheverany koa izay hitandremany ny olonao entiny, ho finaritra sy miadana ary masina;: Tanteraho izany, Ray mamindra fo ô, amin’ny alalan’I Jesoa Kristy Zanakao Tomponay Amena
Raha tsy atao ny Didy folo, dia azo ajanona koa ny Koleta ho an’ny mpanapaka
Dia hataon’ny Presbytera hoe:
Homba anareo anie ny Tompo
Valiny
Ary homba ny fanahinao
Presbytera
Aoka isika hivavaka