Ny koleta


Retour

Ny Ministera

Tompo ô, sokafy ny molotray

Valiny

 Dia hanambara ny fiderana Anao ny vavanay

.......ets.......

-Venite Exultemus, Domino (Sal. 95, 1-7) na Sal. 100

-Salamo: fandrosoan'ny Presbytera ho amin'ny fiomanana ny fanolorana ny Komoniona Masina

RAINAY Izay any an-danitra, Hohamasinina anie ny Anaranao: Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao: Ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay, tahaka ny amelanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakampanahy. Fa manafaha anay amin'ny ratsy. Amena.

Ny Kolekta

ANDRIAMANITRA Tsitoha ô, ny fon’ny olona rehetra dia miharihary aminao, ny faniriany rehetra dia fantantrao, ary tsy misy miafina aminao. Diovy amin’ny fanoloran-tsain’ny Fanahinao Masina ny hevitry ny fonay, mba ho tia Anao tokoa izahay, ary hankalaza ny Anaranao Masina araka izay mety: amin’ny alalan’I Kristy Tomponay. Amena

Dia hanatrika ny olona ny Presbytera ha hanonona ny Didy folo ary isaky ny voatonona ny anankiray, ny olona mbola mandohalika dia hangataka ny famindrampon’Andriamanitra noho ny ota nataony ary ny fahasoavana hanarahany ilay didy amin’ny aoriana, araka izao:

Numéro de page - 60