IZAY rehetra mitady famonjena: dia ny Finoana Katolika no tsy maintsy tànany voalohany indrindra
2. Fa raha tsy mitana izany Finoana izany ho tanteraka sady tsy misy kilema izy: dia tsy maintsy ho very mandrakizay
3. ARY ny Finoana Katolika dia izao: Ny mitsaoka an’Andriamanitra Iray ho Trinité, ary ny Trinité no Unité
4. Tsy mampifangaroharo ny Persona: na mizara ny Sobstansia
5. Fa hafa ny Personan’ny Ray, ary hafa ny an’ny Zanaka: ary hafa ny an’ny Fanahy Masina
6. Kanefa ny maha Andriamanitra ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia iray ihany: ny voninahitra dia mitovy, ary ny fahandrianana dia miara-maharitra mandrakizay
7. Izay an’ny Ray, dia an’ny Zanaka: ary an’ny Fanahy Masina
8. Ny Ray dia tsy noforonina, ny Zanaka dia tsy noforonina: ary ny Fanahy Masina dia tsy noforonina.
9. Ny Ray dia tsy azo ferana, ny Zanaka dia tsy azo ferana: ary ny Fanahy Masina dia tsy azo ferana.
10. Ny Ray dia mandrakizay, ny zanaka dia mandrakizay, ary ny Fanahy Masina dia mandrakizay
11. Nefa tsy mandrakizay telo izy: fa mandrakizay iray
12. Toy izany koa, tsy telo no tsy noforonina telo no tsy azo ferana; fa Izy telo no tsy noforonina sy tsy ferana, dia iray ihany
13. Toy izany indray, ny Ray dia Tsitoha, Zanaka dia Tsitoha: ary ny Fanahy Masina dia Tsitoha
14. Nefa tsy Tsitoha telo Izy: fa Tsitoha Iray
15. Ary koa ny Ray dia Andriamanitra ny Zanaka dia Andriamanitra: ary ny Fanahy Masina dia Andriamanitra
16. Nefa tsy Andriamanitra telo Izy: fa Andriamanitra iray
17. Ary koa, ny Ray dia Tompo, ny Zanaka dia Tompo: ary ny Fanahy Masina dia Tompo
18. Nefa tsy Tompo telo: fa Tompo Iray
19. Fa isika dia teren’ny fampianarana Krisitiana: hanaiky ny Persona tsirairay avy ho Andriamanitra sy ho Tompo
20. Nefa kosa isika dia raran’ny Foto-pinoana Katolika: tsy hanao hoe, misy Andriamanitra telo na Tompo telo
21. Ny Ray dia tsy natao: tsy noforonina, tsy nateraka
22. Ny zanaka dia avy amin’ny Ray ihany: tsy natao, tsy noforonina, fa nateraka
23. Ny Fanahy Masina dia avy amin’ny Ray sy ny zanaka: tsy natao, tsy noforonina, tsy nateraka fa avy aminy.
24. Koa amin’izany, misy Ray iray, fa tsy Ray telo, ary Zanaka iray fa tsy Zanaka telo, ary Fanahy Masina iray fa tsy Fanahy Masina telo
25. Ary amin’io Trinité io dia tsy misy izay azo atao hoe aloha sy aoriana: na ambony sy ambany.
26. Fa miara-maharitra mandrakizay: ary mitovy ny Persona telo
27. Koa araka izay rehetra voalaza: ny Unité dia tsy maintsy itsaohana ho Trinité, ary ny Trinité ho Unité
28. Koa amin’izany izay rehetra mitady famonjena: dia araka izany no tsy maintsy inoany ny amin’ny Trinité
29. ARY izao koa dia tsy maintsy hatao hahazoana famonjena mandrakizay: dia ny mino marina ny Inkarnasionan’i Jesoa Kristy Tompontsika
30. Fa izao no Finoana marina, dia mino sy manaiky: Fa Jesoa Kristy Tompontsika, Zanak’Andriamanitra, dia Andriamanitra sy Olona
31. Andriamanitra Izy avy amin’ny Sobstasian’ny Ray nateraka talohan’izao rehetra izao: ary Olona Izy avy amin’ny Sobstansian’ny Reniny nateraka teo amin’izao tontolo izao;
32. Andriamanitra tanteraka sy olona tanteraka Izy: dia manana nofon’olona sy fanahy misy saina
33. Mitovy amin’ny Ray raha araka ny maha Andriamanitra Azy: nefa ambanin’ny Ray raha araka ny maha olona Azy
34. Ary na dia Andriamanitra sy Olona aza Izy: dia tsy roa, fa iray ihany, dia Kristy
35. Iray: tsy noho ny niovan’Andriamanitra ho nofo: fa noho ny nandraisan’Andriamnitra izay maha olona antsika
36. Iray tokoa; tsy noho ny fifangaroan’ny Sobstania: fa noho ny maha iray ny Persona
37. Fa tahaka ny nofo sy ny Fanahy misy saina tafakambana no olona iray: dia tahaka izany koa Andriamanitra sy Olona tafakambana no Kristy Iray
38. Izy dia nijaly mba hamonjy antsika: nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita, dia nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo
39. Niakatra any an-danitra Izy, ary mipetraka eo ankavanan’ny Ray, Andriamanitra Tsitoha ary avy any no hiaviany indray hitsara ny velona sy ny maty
40. Amin’ny hihaviany dia hitsangana amin’ny maty ny olona rehetra amin’ny tenany: hampamoahana amin’ny asa nataony
41. Ary izay rehetra efa nanao tsara dia hankany amin’ny fiainana mandrakizay: fa izay efa nanao ratsy kosa dia hankany amin’ny afo mandrakizay
42. IZANY no Finoana Katolika: ary izay tsy Mino izany marina tokoa dia tsy hahazo famonjena
Ho an’ny Ray sy ny Zanaka: ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra;
Tahaka ny hatramin’ny taloha, sy ankehitriny ary mandrakariva, ho mandrakizay, doria Amena.