ANDRIAMANITRA Tsitoha, Rain’ny famindrampo rehetra ô, misaotra Anao indrindra izahay mpanomponao tsy mendrika, noho ny fahasoavana sy ny famindram-po rehetra omenao anay sy ny olona rehetra; indrindra noho ny soa nataonao tamin’ny namanay izay maniry hanatitra fiderana sy fisaorana ho Anao ankehitriny izao Misaotra Anao izahay noho ny naharianao anay, sy ny fitandremanao anay ary ny fitahianao rehetra, amin’izao fiainana izao fa indrindra noho ny fitiavanao lehibe tamin’ny nanaovan’I Jesoa Kristy Tomponay izao tontolo izao; sy noho ny fahazoam-pahasoavana, ary ny fanantenam-boninahitra. Ary dia mangataka aminao izahay, mba ho feno fisaorana ny fonay, hanehoanay amin’ny fitondrantenanay koa; dia amin’ny anoloranay ny tenanay hanompo Anao, sy ny handehananay amin’ny fahamasinana sy ny fahamarinana ao anatrehanao amin’ny andro
rehetra iainanay; amin’ny alalan’I Jesoa Kristy Tomponay. Izay omem-boninahitra miaraka aminao sy ny Fanahy Masina, mandrakariva ho mandrakizay. Amena