ANDRIAMANITRA ô, Hianao no Mpamorona sy Mpiaro ny olombelona rehetra: mifona aminao amim-panetrentena izahay ho an’ny olona rehetra na manao ahoana na manao ahoana ny toetrany; aoka ho sitrakao mba hampahalala azy ny làlanao sy hampahafantatra ny firenena rehetra ny famonjenao. Indrindra mangataka aminao izahay ho an’ny Eklesia Katolika: aoka mba hotarihin’ny Fanahinao Masina izy; ka dia handeha amin’ny làlana marina izay manaiky sy manao ny tenany ho Kristiana,
ka hitana ny Finoana amin’ny firaisam-panahy sy amin’ny fehim-pihavanana, ary amin’ny fahatsaram-pitondrantena. Ary koa mangataka aminao izahay. Ray ô, mba hamindra fo amin’izay rehetraory sy malahelo na amin’ny saina, na amin’ny tena na amin’ny toetra (indrindra fa izay mangataka ny fivavahanay: aoka ho sitrakao mba hampionona azy araka izay ilainy; ampaherezo izy hahazaka izay manjo azy, ary afaho amin’ny fahorianay rehetra. Mangataka izahay noho ny fitiavan’i Jesoa Kristy. Amena.