Venite, exultemus domino salamo 95


Retour

 

AVIA, aoka isika hihoby ho an’I Jehovah: aoka isika hanao feo fifaliana ho an’ny Vatolampy famonjena antsika

2. Aoka hankeo anatrehany amin’ny fiderana isika: aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin’ny fihirana isika.

3. Fa Andriamanitra lehibe Jehovah: ary Mpanjaka lehibe ambonin’ny àndriamanitra rehetra Izy

4. Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin’ny tany: ary Azy ny tèndrombohitra avo

5. Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy: ary ny tany maina dia noforonin’ny tànany

6. Avia, ka aoka hiòndrika sy hiankohoka isika: aoka isika handohalika eo anatrehan’I Jehovah, Mpanao antsika.

7. Fa izy no Andriamanintsika: ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika

8. Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe: aza manamafy ny fonareo: tahaka ny tao Meriba sy tahaka ny tamin’ny andro tao Masa, fony tany an-efitra.

9. Izay nakan’ny razanareo fanahy Ahy: sy nizahany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako

10. Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin’izany taranaka izany, ka hoy Izaho: Olona maniasia amin’ny fony izy ka tsy mahalala ny làlako

 11.Ka dia nianiana tamin’ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy

Ho an’ny Ray, sy ny Zanaka; ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra:

Tahaka ny hatramin’ny taloha , sy ankehitriny : ary mandrakariva, ho mandrakizay, doria. Amena.

Numéro de page - 11