ANDRIAMANITRA Tsitoha ô, Hianao ihany no Mpanome ny zava-tsoa rehetra ; Mifona aminao izahay, mba tsinjovy amin’ny fahasoavanao ny Eklesianao, ka tariho amin’ny fahendrenao avy any an-danitra ny sain’ireo manana adidy amin’ny fifidianana ny olona ho Eveka amin’ity Diosesy ity (na ho Presbytera amin’ity Paroasy ity), mba hahazoany Mpitandrina mahatoky, izay hamahana ny ondrinao araka ny sitraponao, ary hanomana olona ankasitrahanao ; amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Lahitokana Tomponay. Amena.