ANDRIAMANITRA, Loharanon’ny fahendrena rehetra ô, Hianao dia naniraka ny Fanahin’ny fahamarinana mba hitari-dalàna ny Eklesianao ho amin’ny marina rehetra; Mifona aminao izahay, aoka hotarihin’ny Fanahy Masina ny Eveka sy ny Ministera ary ny solontenan’ny Distrika samy hafa, izay mikasa hivory (na izay vory ankehitriny) ho Synodan’ny Eklesia Episkopaly Malagasy; aoka hofehezin’ny herinao ny fony, sy hotoloranao hevitra ny sainy, mba tsy hisy zavatra kendreny afa-tsy ny fampielezana ny voninahitra sy ny fahasoavana ny Eklesianao Masina; amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay Amena.