Fivavahana fangatahana firaisana


Retour

ANDRIAMANITRA ô, Rain’I Jesoa Kristy Tomponay sy Mpamonjy anay ary Andrian’ny Fihavanana; Omeo fahasoavana izahay, mba hieritreretanay mafy ny loza lehibe izay manodidina anay noho ny fisarahana mampalahelo ety aminay. Aza avela hifankahala sy hifampitsara ambony ihany izahay, fa esory aminay izay rehetra misakana anay tsy hifankatia sy hihavana araka ny fahamasinana. Ary satria iray ny teny,iray ny Fanahy, ary iray ny fanantenana momba ny fiantsoana,iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, iray Andriamanitra sady Rainay rehetra, dia aoka izahay rehetra hiray fo sy fanahy hatramin’ny ankehitriny; ka ho tafakambana amin’ny fehin’ny fahamarinana sy ny fihavanana sy ny finoana ary ny fifankatiavana, mba hiarahanay mankalaza Anao amin’ny saina iray sy amin’ny vava iray; amin’ny alalan’I Jesoa Kristy Tomponay Amena.

Numéro de page - 50