Fivavahana ho an’izay hotendrena ho ministera


Retour

ANDRIAMANITRA Tsitoha, Rainay any an-danitra ô, ny Ra soan’ny Zanakao malala no nividiananao ny Eklesia Katolika ho Anao. Mba tsinjovy amin’ny famindramponao izy, ary tariho amin’izao fotoana izao ny sain’ny Eveka mpanomponao sy mpiandry ny ondrinao, mba tsy hametra-tànana tampoka na amin’iza na amin’iza izy, fa ho mahatoky sy ho Hendry hifidy izay olona mendrika ho Ministera hanompo ao amin’ny Eklesianao masina ary omeo ny fahasoavanao sy fitahianao avy any an-danitra izay rehetra hotendrena hanao izany fanompoana masina izany; mba hanehoany ny voninahitrao amin’ny fitondrantenany sy ny fampianarany sy hampandrosoany ny famonjenana olona rehetra amin’ny alalan’I Jesoa Kristy Tomponay.

 

 

Na ity

ANDRIAMANITRA Tsitoha sy Mpanome ny fanomezana soa rehetra ô, Hianao efa nanendry ny filaharana samy hafa ao amin’ny Eklesianao noho ny fitandremanao azy; Mifona aminao amim-panetrentena izahay, omeo ny fahasoavanao izay rehetra hantsoina hanao raharaha ao aminy; ary fenoy ny fahamarinan’ny Teninao izy, ka omeo ny fitondran-tena madio, mba hanompoany marina eo anatrehanao, ho voninahitry ny Anaranao lehibe sy ho fanatsarana ny Eklesianao masina; amin’ny alalan’I Jesoa Krity Tomponay Amena.

Numéro de page - 49