ANDRIAMNITRA Tsitoha ô, Hianao efa nanome fahasoavana anay hiraisanay saina hangataka aminao ankehitriny izao; Hianao manaiky hanome izay angatahin’ny roa na telo miangona amin’ny anaranao; Tanteraho amin’izao Tompo ô ny angatahanay mpanomponao, araka izay antonony ho anay, ampahalalao ny fahamarinanao izahay amin’izao fiainana izao, ary amin’ny ho avy omeo fiainana mandrakizay Amena.
2 Kor 13.14
NY fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny fitiavan’Andriamanitra, ary ny fampiraisan’ny Fanahy Masina, ho amintsika rehetra anie mandrakizay Amena