Ny litany


Retour

ANDRIAMANITRA Ray, any an-danitra ô: mamindrà fo aminay mpanota mahantra.

Andriamanitra Ray, any an-danitra ô: mamindrà fo aminay mpanota mahantra.

Andriamanitra Zanaka, Mpanavotra izao tontolo izao ô: mamindrà fo aminay mpanota mahantra.

Andriamanitra Zanaka, Mpanavotra izao tontolo izao ô: mamindrà fo aminay mpanota mahantra.

Andriamanitra Fanahy Masina, avy amin’ny Ray sy ny Zanaka ô: mamindrà fo aminay mpanota mahantra

Andriamanitra Fanahy Masina, avy amin’ny Ray sy ny Zanaka ô: mamindrà fo aminay mpanota mahantra.

Trinite masina, isaorana sy malaza ô, Persona telo nefa Andriamanitra Iray: mamindrà fo aminay mpanota mahantra

Trinité masina, isaorana sy malaza ô, Persona telo nefa Andriamnitra Iray: mamindrà fo aminay mpanota mahatra

Tompo ô, aza mahatsiaro ny fahadisoanay, na ny fahadisoan’ny razanay, ary aza mamaly anay araka ny fahotanay: iantrao izahay, Tompo tsara ô, iantrao ny fahotanay: iantrao izahay, Tompo tsara ô, iantrao ny olonao, izay navotanao tamin’ny ranao soa indrindra, ary aza tezitra aminay mandrakizay.

Iantrao izahay, Tompo tsara ô

Amin’ny faharatsiana sy ny loza rehetra; amin’ny fahotana, amin’ny fitaky ny devoly sy ny fameliny anay; amin’ny fahatezeranao, ary amin’ny fanamelohana mandrakizay

Manafaha anay, Tompo tsara ô

Numéro de page - 36

Amin’ny fahamaizinan-tsaina rehetra; amin’ny fiavonavonana, amin’ny faniriana laza foana sy ny fihatsarambelatsihy, amin’ny fialonana, sy ny fankahalana, sy ny lolom-po, ary ny tsi-fitiavana rehetra.

Manafaha anay, Tompo tsara ô

Amin’ny fijangajangana, sy ny fahamamoana, ary ny fahotana hafa mahafaty rehetra; ary amin’ny fitaka rehetra ataon’izao tontolo izao, sy ny nofo, ary ny devoly

Manafaha anay, Tompo tsara ô

Amin’ny varatra sy ny tafio-drivotra; amin’ny areti-mifindra sy ny mosary; amin’ny ady sy ny vonoan’olona, ary amin’ny fahafatesana tampoka.

Manafaha anay, Tompo tsara ô

Amin’ny teti-dratsy, sy ny fikomiana rehetra: amin’ny fampianarana tsy marina rehetra, sy ny heresy, ary ny fisarahana amin’ny Eklesia; amin’ny fahamafiam-po, ary amin’ny fanamavoana ny teninao sy ny didinao.

Manafaha any Tompo tsara ô

Noho ny nakanao ny fomban’olombelona; noho Hianao nateraka sy noforana; noho Hianao natao batisa sy nifady, ary nalaim-panahy

Manafaha anay Tompo tsara ô

Noho Hianao fadiranovana sy nivoa-dinitra nisy ra: noho Hianao nihantona teo amin’ny Hazo fijaliana sy niaritra fahoriana be,noho Hianao maty sy nalevina; noho Hianao nitsangana tamin’ny maty, sy niakatra any an-danitra; ary noho ny Fanahy Masina tafidina.

Manafaha anay, Tompo tsara ô

Amin’ny andro mahory; amin’ny andro mahafaly; amin’ny andro hahafatesanay, ary amin’ny andro fitsarana

Manafaha anay Tompo tsara ô

Izahay mpanota mifona aminao, Tompo Andriamanitra ô, mihainoa anay; ary aoka mba ho sitrakao hitarika ny Eklesianao Masina Katolika amin’ny làlanao marina;

Numéro de page - 37

Mihainoa anay, Tompo tsara ô

Aoka ho sitrakao mba hanazava ny sain’ny Eveka sy ny Presbytera ary ny Diakona, mba hahalalany marina ny Teninao, ka hanambarany sy hanehoany izany amin’ny tori-teniny sy ny fitondran-tenany:

Mihainoa anay, Tompo tsara ô

Aoka ho sitrakao mba hampandroso ny raharahan’ny Eklesianao manerana izao tontolo izao ka haniraka mpiasa ho ao an-tanimbolinao;

Mihainoa anay, Tompo tsara ô

Aoka ho sitrakao mba hitahy ny Fanjakana izay mitondra anay, indrindra fa ny Prezidà sy ny manam-pahefana rehetra:

Mihanoa anay Tompo tsara ô

Aoka ho sitrakao mba hanome fahazavan-tsaina sy fahendrena ny Mpitsara ary hanoma azy fahasoavana mba hanaovany ny marina

Mihainoa anay Tompo tsara ô

Aoka ho sitrakao mba hitahy sy hitandrina ny olonao rehetra:

Mihainoa anay Tompo tsara ô

Aoka ho sitrakao mba hanome ny firenena rehetra firaisana, sy fiadanana, ary fifankatiavana

Mihainoa anay Tompo tsara ô

Aoka ho sitrakao mba hanome anay fo tia sy matahotra Anao, ary mazotoa manaraka ny Didinao

Mihainoa anay Tompo tsara ô

Aoka ho sitrakao mba hanome ny olona rehetra fitomboam-pahasoavana, hihainoany ny teninao amin’ny fanetren-tena, sy handraisany azy amin’ny fitiavana madio, ary hahavokarany ny vokatry ny Fanahy

Mihainoa anay Tompo tsara ô

Aoka ho sitrakao mba hamerina ho amin’ny làlana marina izay rehetra efa nania sy voafitaka:

Numéro de page - 38

Mihainoa anay Tompo tsara ô

Aoka ho sitrakao mba hanatanjaka izay rehetra mijoro tsara; ary hampionona sy hanampy izay kivy fo; ary hanangana izay potraka; ary hanorotoro an’I Satana eo ambanin’ny tongotray amin’ny farany:

Mihainoa anay Tompo tsara ô

Aoka ho sitrakao mba hamonjy sy hanampy ary hampionona izay rehetra mahantra ary zoim-pahoriana:

Mihainoa anay Tompo tsara ô

Aoka ho sitrakao mba hitahy ny mpandeha rehetra na eny an-tanety, na ny eny ambony rano, na ny eny amin’ny habakabaka; sy ny vehivavy rehetra raha miteraka, sy ny olona marary rehetra, sy ny zaza-madinika rehetra; ary hamindra fo amin’ny ao an-tranomaizina sy ny babo rehetra:

Mihainoa anay, Tompo tsara ô

Aoka ho sitrakao mba hiaro sy hamelona ny kamboty, sy ny mpitondratena, ary izay rehetra manirery sy ory;

Mihainoa anay, Tompo tsara ô

Aoka ho sitrakao mba hitarika ny fon’ny olona hiantra ny biby fiompy izay noforoninao;

Mihainoa anay Tompo tsara ô

Aoka ho sitrakao mba hamindra fo amin’ny olona rehetra

Mihainoa any Tompo tsara ô

Aoka ho sitrakao mba hamela ny heloky ny fahavalonay, ny mpanenjika anay, sy ny mpifosa anay, ary mba hanova ny fony;

Mihainoa anay Tompo tsara ô

Aoka ho sitrakao mba hanome anay ny vokatry ny tany samy araka ny karazany avy, hiaininanay aminy lalandava

Mihainoa anay Tompo tsara ô

Numéro de page - 39

Aoka ho sitrakao mba hanome anay fibebahana marina; sady mba hamela ny fahotanay rehetra, sy ny tsi-fitandremanay, ary ny tsi-fahalalana ka hampidina aminay ny fahasoavan’ny Fanahinao Masina, hanitsianay ny fitondrantenanay araka ny Teninao Masina:

Mihainoa anay Tompo tsara ô

Zanak’Andriamanitra ô: mihainoa anay

Zanak’Andriamanitra ô: mihainoa anay 

Zanak’ondrin’Andriamanitra ô: izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao;

Omeo anay ny fiadananao

Zank’ondrin’Andriamanitra ô; izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao

Mamindrà fo aminay

Kristyô mihainoa anay

Kristy ô mihainoa anay

Tompo ô mamindrà fo aminay

Tompo ô mamindrà foaminay

Kristy ô mamindrà fo aminay

Kristy ô mamindrà fo aminay

Tompo ô mamindrà fo aminay

Tompo ô mamindrà foaminay

Dia hiara-manao ny Fivavahan’ny Tompo ny Ministera sy ny mpiangona

RAINAY Izay any an-danitra, Hohamasinina anie ny Anaranao: Ho tonga anie ny fanjakanao: Hatao anie ny sitraponao: Ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay, tahaka ny amelanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay amin’ny fakam-panahy: Fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amena

Numéro de page - 40

Ministera

Tompo ô, aza manao aminay araka ny fahotanay

Valiny

Ary aza mamaly anay araka ny helokay

Aoka isika hivavaka

ANDRIAMANITRA, Ray mamindra fo ô, Hianao tsy manamavo ny fisentoan’ny fo mangorakoraka, sy fanirian’ny malahelo. Atreho amin’ny famindram-ponao ny vavaka ataonay aminao noho ny fahoriana rehetra mahazo anay; ary henoy amin’ny fiantranao izahay, mba ho tonga tsinotsinona ny hevi-petsy izay ataon’ny devoly na ny olona misakana anay; ary aoka hofoanan’ny fitondranao tsara izany; mba tsy ho resin’ny fanenjehana akory izahay mpanomponao, ka dia hisaotra Anao mandrakariva eo amin’ny Eklesianao masina; amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay Amena

Tompo ô, mitsangàna, ka ampio izahay, ary afaho noho ny Anaranao

ANDRIAMANITRA ô, efa ren’ny sofinay, ary nambaran’ny razanay taminay: ny asa malaza nataonao tamin’ny androny, dia tamin’ny andro fahiny

Ho an’ny Ray sy ny Zanaka: ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra:

Tahaka ny hatramin’ny taloha, sy ankehitriny: ary mandrakariva ho amndrakizay, doria. amena

Dia hataon’izy rehetra hoe

Tompo ô, mitsangàna, ka ampio izahay ary afaho noho ny voninahitrao

Ministera

Arovy amin’ny fahavalonay izahay, Kristy ô

Tsinjovy amin’ny fahasoavanao ny fahorianay

Numéro de page - 41

Jereo amin’ny fiantranao ny alahelon’ny fonay

Mamelà amin’ny famindramponao ny fahotan’ny olonao

Henoy amin’ny fitiavanao sy ny famindramponao ny fivavahana ataonay

Zanak’i Davida ô, mamindra fo aminay

Aoka ho sitrakao hihaino anay ankehitriny sy mandrakizay, Kristy ô

Henoy amin’ny fahasoavanao izahay, Kristy ô, henoy amin’ny fahasoavanao izahay, Kristy Tompo ô

Ministera

Tompo ô, aoka ny famindramponao hitoetra aminay

Valiny

Araka ny itokianay Anao

Aoka isika hivavaka

MIFONA aminao amim-panetrentana izahay, Ray ô, jereo amin’ny famindramponao ny fahalemenay; ary noho ny voninahitry ny Anaranao, aza avela hihatra aminay ireo loza ireo, izay tokony hahazo anay marimarina; ary aoka hatoky sy hanantena ny famindramponao izahay amin’ny fahorianay rehetra, ka hanompo Anao mandrakariva amin’ny fitondran-tena masina sy madio, ho lazanao sy voninahitrao; amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Mpanalalana tokana sy Mpisolo-vava anay. Amena.

Numéro de page - 42