TOMPO ô, mifona aminao izahay, hazavao ny fahamaizinany; ary mba arovy amin’ny loza sy ny tahotra izahay anio alina noho ny famindram-ponao lehibe; amin’ny alalan’I Jesoa Kristy zanakao-lahy Tokana, Mpanavotra anay, Izay miara-belona sy miara-manjaka aminao sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra Iray ihany mandrakizay mandrakizay Amena
Dia azo atao ny manaraka
Ministera
Homba anao anie ny Tompo
Valiny
Ary homba ny fanahinao
Ministera
Aoka isika hisaotra an’Andriamanitra
Valiny
Isaorana anie ny Tompo
Ministera
HIALA-SASATRA amim-piadanana anie ny fanahin’ny marina noho ny famindrampon’Andriamanitra. Amena
Dia azo atao amin’izao ny hira