ANDRIAMANITRA ô, avy aminao ny faniriana masina, sy ny hevitra tsara ary ny asa marina rehetra: Omeo anay mpanomponao ny fiadanana izay tsy hain’izao tontolo izao omena; mba hifikiran’ny fonay amin’ny fankatoavana ny didinao ary tsy hanananay ahiahy amin’ny tahotra ny fahavalonay, fa hiadananay amin’ny andronay noho ny fiarovanao; amin’ny alaln’I Jesoa Kristy Mpamonjy anay. Amena