Ny fanamasinana areseveka na eveka


Retour

Rehefa vita ny Fivavahana Maraina, dia hanomboka ny Komoniona ny Arseveka

Ny Kolekta

ANDRIAMANITRA Tsitoha ô, Jesoa Kristy Zanakao no nampididnanao fanomezana maro tamin’ny Apostolinao masina sy nandidIanao  azy hazoto mamahana ny ondrinao: mangataka aminao izahay omeo fahasoavana ny Eveka rehetra mpiandry ny ondrinao mba hahazotoany mitory ny teninao sy hahaizany manapaka ny EklesIanao ; ary aoka kosa ny olona mba hanaiky tsara ny fitondrany, hahazoan’izy sy ny olona entiny ny satro-*bininahitra fiainana mandrakizay; amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay Amena

Dia hamaky ny Epistily ny Eveka anankiray

1Timoty 3.1-7

Na ity

Asa 20.17-35

Dia hamaky ny Filazantsara ny Eveka hafa

S.Jaona 20.19-23

Na ity

S.Mat 28.18-20

Numéro de page - 197

Rehefa voavaky ny Filazantsara ary efa vita ny Foto-pinoana Nikeana sy ny Toriteny, ny nofidiana ho Eveka miakanjo akanjo fotsy lava, dia hatolotry ny Eveka anankiroa amin’ny Apostoly (na ny Eveka solony) izay mipetraka amin’ny sezany eo anoloan’ny Alitara ka hataony hoe:

RAY amin’Andriamanitra ô, atolotray anao hohamasinina ho Eveka ity olona manana toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ambony fahaizana ity.

 

Dia hianina izy fa hanaiky ny Arseveka

Ny fiainianana

Amin’ny anaran’Andriamanitra, Izaho RA..... voafidy ho Evekan’ny Eklesia Diosesy Ananaona... dia manaiky hanaraka sy hanaja araka izay mety ny Arseveka sy ny Eklesia metropolitaina Ananona sy ny mpandimby azy; koa mba hampian’Andriamanitra anei aho. Amena

Dia hampirisika ny olona hivavaka ny Arseveka manao hoe:

RY havako, voasoratra amin’ny Filazantsara nosoratan’i Santa Lioka, fa naharitra nivavaka nandritra ny alina Kristy Mpamonjy antsika vao nifidy sy naniraka ny Apostoliny. Ary koa lazain’ny Asan’ny Apostolyfa nifady sy nivavaka ny profeta sy mpampianatra tao Antioka, vao nametra-tanana tamin’i Paoly sy Barnabasy, sy nandefa azy. Koa aoka isika, hanaraka ny nataon’ny Mpamonjy sy ny Apostoliny, ka hivavaka aloha vao hanamasina sy mandefa ity olona natolotra anay ity hanao asa izay itokiana fa niantsoan’ny Fanahy Masina azy.

Dia hatao amin’izao hy Litany fa rehefa vita ny hoe: Aoka ho sitrakao hanazava saina ny Eveka rehetra, ets dia hatao izao fifonana manaraka izao:

Numéro de page - 198

Aoka ho sitrakao mba hitahy ity Rahalahiny oafidy ity, sy hanoma azy ny fahasoavanao, hahtanterahany tsara ny raharaha niantsoanao azy, ho fanatsarana ny Eklesia sy ho fankalazana ny Anaranao Masina.

Dia hatao izao Fivavahana izao:

ANDRIAMANITRA Tsitoha, Mpanome ny zava-tsoa rehetra ô,Ianao no nanendry ny Filaharana samy hafa amin’ny Ministeran’ny EklesIanao : Tinjovy amin’ny famindramponao izy mpanomponao ity, izay antoina ankehitriny hanao ny raharaha sy ny fanompoan’ny Eveka: fenoy ny fahamarinan’ny Teninao izy, ary omeo fitondrantena madio, hanompoany Anao marina tokoa na amin’ny teny na amin’ny atao, ho voninahitry ny Anaranao, ary ho fanatsarana ny EklesIanao , amin’ny alaln’i Jesoa Kristy Mpamonjy anay, izay miara-belona sy miara-manjaka aminao sy ny Fanahy Masina, ankehitriny sy mandrakizay Amena

Dia hipetraka amin’ny sezany ny Arseveka ka hjanao amin’ny hohamasinina hoe:

RY rahalahy, satria lazain’ny Soratra Masina sy ny Fitsipiky ny Eklesia, fa izahay tsy tokony halaky mametra-tànana amin’olona na hampiditra azy an-kamehana ho mpanapaka ny Eklesian’i Kristy, izay novidiny tamin’ny Ran’ny Tenany fa tsy tamin’ny volafotsy na ny volamena; ka alohan’ny hampidirana anao ho amin’izao fanompoana masina izao, dia misy zavatra sasany hadiniko anao, hahafantaran’ny olona rehetra izay hitoeranao sy kasainao hatao eo amin’ny eklesian’Andriamanitra.

MOA ataonao fa voaoanto matina tokoaIanao araka ny sitrapoin’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny Fomban’ny Eklesia ho amin’ny Filaharana ny Raharahan’ny Eveka?

Valiny. Ataoko fa izany

Numéro de page - 199

Ny Arseveka

MOA ekenao marina fa ny Soratra Masina ihany no misy fampianarana rehetra izay ilaina hahazoana famonjena mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ka ny Soratra Masina ihany no hampianarinao ny olona tandremanao, ary tsy hampianatra fa misy zavatra hafa na inona na inona hahaozna famonjena mandrakizay afa-tsy izay azo alaina amin’ny Soratra Masina na azo hamarinina avy aminy?

Valiny. Manaiky izny aho ary mikasa mafy tokoa hanao izany noho ny fahasoavan’Andriamanitra.

Ny Arseveka

MOAIanao hazoto handinika tsara ny Soratra Masina sady hivavaka amin’Andriamanitra hahalalanao marina izany, mba hahaizanao mampirisika ny olona hanaralka ny fampianarana marina, sy hahazoana mandresy lahatra sy mampanaiky izay manohitra izany?

Valiny Hazoto manao izany aho noho ny fanampian’Andriamanitra ahy.

Ny Arseveka

MOAIanao ho vonona lalandava mba hikely aina hamoingotra ny fampianarana tsy marina rehetra izay tsy mifanarana amin’ny tenin’Andriamanitra, ary hampirisika ny sasany na eo am-pahibemaso na amin’ny mangingina mba hanao izany?

Valiny Hataoko izany amin’ny fanampian’ny Tompo ahy

Numéro de page - 200

Ny Arseveka

MOAIanao handà avoko izay toe-panahy ty araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao, ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao, ka hampiseho ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, mba ho menatra izay manohitra, satria tsy hisy hitenenanay anao?

Valiny Hataoko izany amin’ny fanampian’ny Tompo ahy

Ny Arseveka

MOAIanao hanao izay faran’ny azonao atao hampitombo sy hampaharitra ny fihavanana sy ny fifankatiavana ary ny fiadanana amin’ny olona rehetra; ary raha misy mitabataba na ty mankato, na diso fitondrantena ny olona tandremanao, moaIanao hananatra sy hanafay azy amin’ny faharetanao ananao arakja ny tenin’Andriamanitra sy ny fitsipiky ny Eklesia?

Valiny Hataoko izany amin’ny fanampian’Andriamanitra ahy

Ny Arseveka

MOAIanao no mahatoky amin’ny fanendrena olona sy ny fametrahan-tànana aminy?

Valiny Hataoko izany amin’ny fanompoan’Andriamanitra ahy

Ny Arseveka

MOAIanao halemy fanahy sady hiantra ny malahelo sy ny mahantra ary ny vahiny tsy manan-kamonjy noho ny amin’i Kristy?

Valiny Hataoko izany amin’ny fanampian’Andriamanitra ahy

Numéro de page - 201

Dia hitsangana ny Arsekveka ka hanao hoe:

ANDRIAMANITRA Tsitoha, Raintsika any an-danitra, Izay efa nanome anao ny sitrapo hanao izany rehetra izany, hanome tanjaka syt hery anao anie hahatanteraka izany, ka hahavitany, tsara ny asany izay efa natombony tao anatinao, mba hotonga ohatra tsy misy kilemaIanao amin’ny andro farany, amin’ny alan’i Jesoa Kristy tompontsika Amena

Dia hiakanjo araka ny fanaon’ny Eveka ilay nohamasinina sy handohalika ary hatao ny VENI CREATOR SPIRITUS: ka ny Arseveka no hitarika, fa ny Eveka hafa sy ny mpiangona kosa hanaraka hamaly azy

AVIA, Fanahy Masina ô

Hitahy ny fanahinay,

Aidino afo velona,

Ka hazavao ny hevitray,

 

Ny fanomezam-pitonao,

Atero, ry Mpanosotra,

FaIanao no manome

Ny aina sy fiononana

 

Ampahirato izahay

Hahita ny hadiovanao,

Hosory koa ny tavanay

Ho miramirana aminao

 

Sakano’zay manafika,

Ka ampandrio ny taninay,

RahaIanao mitarika

Tsy misy izay hanjo anay

 

Tariho mba ho fantatray

Ny Trinité Isaorana,

Ka dia hatao ty tapaka

‘Lay hira tsy mitsahatra;

Dera ho Anao anie!

Ray, Fanahy, Zanaka ô

Amena .

Numéro de page - 202

Dia hataon’ny Arseveka hoe:

Tompo ô, henoy ny fivavahanay

Valiny. Ary aoka ny fitarainanay ho tonga any aminao

Aoka isika hivavaka

ANDRIAMANITRA Tsitoha sy Ray mamindra fo indrindra ô, ny famindramponao tsy hita lany no nanomezanao an’i Jesoa Kristy Zanakao-lahy Tokana malala ho Mpanavotra any, sy ho Fototry ny fiainana mandrakizay, ary rehefa mahatanteraka ny fanaovana anay tamin’ny nahafatesany Izy ka niakatra any an-danitra dia hampidina fanomezana ho an’ny olona, ka nanao ny sasany ho Apostoly, ny sasany ho Profeta, ny sasany ho Evanjelista, ny sasany ho Mpitandrinasy Mapmpiantra, mba ho fanatanterahana ny olona masina sy ho fampandrosoana ny Eklesiany; Mangataka amainao izahay, omeo ny fahasoavana ity mpanomponao ity, hahavonona azy lalandava hampiely ny Filazantsaranao, sy hitory ny teny soa mahafaly milaza fihavanana aminao ary aoka ny fahefana omenao azy mba hampiasainy ho famonejana fa tsy fandringanana, ho fanasoavana fa tsy ho fanimbana; mba hahatonga azy ho mpanompo hendry sy mahatoky izay manome ny handraisana azy ho amin’ny fifaliana mandrakizay amin’ny farany; amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay. Izay miara-belona sy miara-manajaka aminao sy ny Fanahy Masina Andriamanitra iray mandrakizay mandrakizay Amena

Numéro de page - 203

Dia hametra-tanana amin’ny lohan’ny voafidy ho Eveka (mbola mandohalika eo antrehany) ny Arseveka sy ny Eveka namany, ary hataon’ny Arseveka hoe:

RAISO ny Fanahy Masina atolotra anao ankehitriny amin’ny fametrahanay tànana hanaovanao ny raharaha sy ny asan’ny Eveka ao amin’ny Eklesian’Andriamanitra: amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina Amena. Ary mazoto mamleona ny fahasoavan’Andriamanitra omena anao amin’izao fametrahanay tànana aminao izao; fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.

 

Dia hanolotra azy ny Baiboly ny Arseveka ka hanao hoe:

TANDREMO ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana. Mazotoa mieritreritra izay voasoratra amin’ity Boky ity. Mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao. Tandremo ny tenanao sy ny fampianarana, mahareta amin’izany: fa raha manao izanyIanao dia hamonjy ny ondrin’i Kristy hIanao , fa tsy ho ambidoa: fahano izy, fa aza mamahan-tena. Tohano ny malemy, sitrano ny marary, ampionony ny torotoro fo, avereno ny voaroaka, katsaho ny very. Mamindra fo nefa aza dia morainy loatra; mahaiza mifehy nefa maleme fanahy: mba hahazoanao ny satroboninahitra tsy mety simba rehefa miseho ny Lohan’ny mpiandry amin’ny alaln’i Jesoa Kristy Tompontsika Amena

 

Dia handroso hanao ny Komoniona Masina ny Arseveka: ary ny Eveka vao hanamasinina, mbamin’ny olona hafa, dia handray koa.

Ary dia hatao izao fivavahana izao alohan’ny Tsodrano.

Numéro de page - 204

RAY mamindra fo indrindra ô, mifona aminao izahay ampidino aminity mpanomponao ity ny fitahIanao  avy any an-danitra ary aoka anie izy mba ho feno ny Fanhy Masina ka rehefa mitory ny teninao dia aoka izy hazoto mampirisika sy manantra amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra, indrindra fa ho tonga fianarana ho an’ny mino amintny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana; koa rehefa mahatanteraka ny fihazakazahany izy dia aoka mba handray ny satroboninahitra fahamarinana izay tehirizin’ny Tompo Mpitsara marina ho azy amin’ny andro farany, fa ity miara-belona sy miara-manjaka aminao sy ny Fanahy Masina Andriamanitra iray, mandrakizay mandrakizay Amena

TOMPO ô, aoka ny fitiavanao mahasoa indrindra no hialoha sy hampandroso anay mandrakariva, ka aoka izay rehetra atombokay no hotanterahanay ao aminareo, mba ho lazaanao sy ho voninahitrao sy hahazoanay ny fiainana mandrakizay amin’ny farany noho ny famindramponao, amin’ny alaln’i Jesoa Kristy Tomponay Amena

Ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo anie amin’ny fahalalana sy ny fitiavana an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy Zanaka Tompontika: ary ny fitahian’Andriamanitra Tsitoha Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina ho aminareo anie, ary hitoetra aminareo mandrakariva Amena

Numéro de page - 205