Foto-pinoan’ny apostoly


Retour

Ary izao dia hotononina na hohirain’ny Ministera sy ny olona eo am-pitsanganana ny Foto-pinoan’ny Apostoly

IZAHO mino an’Andriamanitra, Ray Tsitoha Mpanao ny lanitra sy ny tany:

Ary an’I Jesoa Kristy Zanani-lahy Tokana Tompontsika, Izay notorontoronina tamin’ny herin’ny Fanahy Masina, Naterak’I Maria Virijina, Nijaly tamin’ny nanapahan’I Pontio Pilato, Nohomboana tamin’ny hazo fijaliana, dia maty ka nalevina. Nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita; Ary nony tamin’ny andro fahatelo dia nitsangna tamin’ny maty. Dia niakatra any an-danitra, Ary mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra Ray Tsitoha: Ary avy any no hiaviany indray hitsara ny velona sy ny maty.

Izaho mino ny Fanahy Masina; Ny Eklesia Masina Katolika: Ny fiombonan’ny Santa; Ny Famelan-keloka: Ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty. Ary ny Fiainana mandrakizay. Amena

Numéro de page - 30

Manaraka izany dia handohalika hivavaka ny olona rehetra rehefa nataon’ny Ministera hoe:

Homba anareo anie ny Tompo

Valiny

Ary homba ny fanahinao

Minsitera

Aoka isika hivavaka

Tompo ô, mamindrà fo aminay

Kristy ô, mamindrà fo aminay

Tompo ô, mamindrà fo aminay

Dia hiara-manao ny Fivavahan’ny Tompo ny Ministera sy ny olona

RAINAY Izay any an-danitra, Hohamasinina anie ny Anaranao : Ho tonga anie ny fanjakanao hatao anie ny sitraponao : Ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay, tahaka ny amelanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy: Fa manafaha anay amin’ny ratsy Amena.

 

Dia hitsangana ny Presbytera ka hanao hoe:

Tompo ô, asehoy anay ny famindramponao

Valiny

Ary omeo anay ny famonjenao

Ministera

Tompo ô, tariho ny Mpanapaka

Valiny

Ary henoy amin’ny famindramponao izahay raha mitaraina aminao

Numéro de page - 31

Ministera

Tafio fahamarinana ny Ministeranao

Valiny

Ary ampifalio ny olom-pidinao

Ministera

Tompo ô, vonjeo ny olonao

Valiny

Ary tahio ny lovanao

Ministera

Tompo ô, omeo fiadanana amin’ny andronay

Valiny

Satria tsy misy miady ho anay, afa-tsy Hianao irery ihany Andriamanitra ô

Ministera

Andriamanitra ô, diovy ny fonay ato anatinay

Valiny

Ary aza esorina aminay ny Fanahinao Masina

Ary izao dia misy Koleta telo hatao: ny voalohany dia Koleta izay efa voatendry hatao ao amin’ny Komoniona

Numéro de page - 32