Ny fanendrena presbytera


Retour

Amin’ny andro efa voatendry, rehefa vita ny Fivavahanaa Maraina dia hisy toriteny milaza ny adidin’ny Presbytera ary ny tsy maintsy hisian’izany filaharana izany ao amin’ny Eklesia sy ny tokony hanajan’ny olona ny Presbytera noho ny raharaha ataony.

Ny hotendrena ho Presbytera (efa miakanjo araka ny fanao) dia hatolotra ny Arssidiakona ny na ny Solony amin’ny Eveka (mipetraka amin’ny sezany eo anoloan’ny Alitara) ka hataony aminy hoe:

RAY amin’Andriamanitra ô, atolotro anao ireto olona ireto, hotendrena ho Presbytera

Ny Eveka

TANDREMO fandrao ny olona atolotrao ahy no tsy ampy fahaizana na ty mendrika amin’ny fitondrantenany hanao ny marina ny raharahany, ho voninahitr’Andrimanitra, sy ho fanantsarana ny Eklesiany.

Dia hamaly ny Arsidiakona hoe:

EFA nandinika sy nanadina azy aho, ary ataoko fa mahay sy mendrika izy

Dia hanao amin’ny olona hoe ny Eveka:

RY havako rehetra, ireto olona ireto dia kasainay horaisina ho amin’ny Filaharana masin’ny Prebsytera anio, raha sitrak’Andriamanitra. Fa rehefa nofotopotorana tsara ny toetrany rehetra, dia hitanay fa voantso marina tokoa hanao izao raharaha izao izy, sady olona mendrika hanao izany. Kanefa raha misy aminareo mahalala izay ty tokony hampidirana azy ho Presbytera, amin’ny Anaran’Andriamanitra dia aoka hilaza izao ankehitriny izao izay tsiny lehibe na fisakanana hitany.

Raha misy tsiny lehibe na fisakanana miseho, dia tsy hotendren’ny Eveka aloha ilay olona ampangaina mandra-pahitany fa tsy manan-tsiny izy

Dia hangatahin’ny Eveka hivavaka ho an’ireo hotendrena ny mpiangona, ka dia hanao ny Litany izy sy ny Ministera ary ny fiangonana rehetra.

Numéro de page - 187

Amin’ny fifonana voatendry, hosoloana Presbytera ny teny ho “Diakona”.

Dia hatao amin’izao ny Komoniona mbamin’ny Kolekta, Epistily ary ny Filazantsara, araka izao manaraka izao:

Ny Kolekta

ANDRIAMANITRA Tsitoha, Mpanome zava-tsoa rehetra ô,Ianao nanendry filaharana samy hafa amin’ny Ministeran’ny EklesIanao ; Tsinjovy amin’ny famindramponao ireto mpanomponao ireto, izay antsoina ankehitriny hanao ny raharahan’ny Presbytera; fenoy ny fahamarinan’ny teninao izy, ary omeo fitondrantena madio, hanompoany Anao marina tokoa amin’izao raharaha izao, na amin’ny teny na amin’ny atao ho voninahitry ny Anaranao sy ho fantsarana ny EklesIanao ; amin’ny alaln’i Jesoa Kristy Mpamonjy anay. Izay miara-belona sy miara-manjaka aminao sy ny Fanahy Masina, ankehitriny sy mandrakizay Amena.

Ny Epistily Efes iv.7

 

Rehefa vita izany dia hovakiana izao Filazantsara izao

S.Mat ix.36

ARY nony nahita ny vahoaka Jesoa, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin'ny mpianany: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.

Na ity:

S.Jao xi.1-16

Numéro de page - 188

Dia hipetraka amin’ny sezany ny Eveka ka hanao amin’ny hotendrena hoe,

RY Rahalahy malala, efa renareo tamin’ny resatsika mangingina ary tamin’ny Filazantsara sy ny Soratry ny manan-kaja vao novakiana teo, fa raharaha lehibe suy manan-kaja indrindra ny raharahan’ny Presbytera. Koa dia mananatra anareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy izahay ankehitriny, satria hanao raharaha ambony sy mavesatra tokoatokoa izao antson’Andriamanitra anareo izao: tendreny ho iraka mpitondra ny teniny, ary ho mpiambina sy mpitandrina ny fiangonany hianareo, mba hampianatra sy hananatra ary hamahana ny ankohonan’Andriamanitra, ary mba hitady ny ondrin’i Kristy izay mihahaka amin’izao tontolo izao, hahazoan’ireny ny faminjena mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Koa aoka tsy ho afaka an-tsainareo na oviana na oviana ny halehiben’ny zava-tsoa atolotra ho andraikitrareo. Ny fiangonana dia ny ondrin’i Kristy novidiny tamin’ny Fahafatesany sy ny nandatsahany ny Rany ary ny Eklesia izay hotompoinareo dia ny Tenan’i Kristy sy ny Ampakariny. Koa raha misy simba ny fiangonana, na tafintohina noho ny tsy fitandremanareo, na ny olona iray ihany aza, dia aoka ho fantatrareo miharihary ny halehiben’ny fahadisoanareo sy ny famaizana hihatra aminareo noho izany. Koa eritrereto mafy izay zavatra kendrena amin’ny fanompoanareo ireo zanak’Andriamanitra ireo izay Tenan’i Kristysy Ampakariny. Koa tandremo tsara sao tapaka na ny asa na ny zotom-po na ny fitandremana, raha tsy efa vitananre hatramin’izay faran’ny azonareo atao hahatonga izay rehetra natolotra ho andraikitrareo ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara an’Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny hafenoan’i Kristy, mba tsy hisy diso finoana na ratsy fitondrantena ny fiangonana tandremanareo.

Numéro de page - 189

Koa satria faran’izay tsara indrindra sy tena sarotra tokoa toy izany ny raharahanareo, dia tokony hanolo-tena mihitsy hanao izay hahatanterahanareo izany hianareo, ka aoka ho mpanompo mahatoky sady feno fisaorana ny Tompo noho ny nanandratany anareo ho amin’izao voninahitra izao. Ary tandremo tsara ny tenanareo, sao misy tsy mety ataonareo ka hanafintohina olona. Nefa kosa, raha ny tenananreo ihany, dia tsy manana hevitra na herim-po ampy fahefana izany, raha tsy Andriamanitra ihany no manome saina sy hery anareo; koa tsarovy fa zavatra tsy maintsy ataonareo tokotokoa ny mivavaka fatratra amin’Andriamanitra hahazoanareo ny Fanahiny Masina. Ary satria tsy misy hahavitana izany raharaha masina izany, izay hahazoan’ny olona famonjena, afa-tsy ny fampianarana sy ny fananarana avy amin’ny Soratra Masina mbamin’ny fitondrantena mifanaraka amin’izao, koa dia tsarovy lalandava fa tsy  maintsy mazoto dia mazoto mamaky ny Soratra Masina hianareo; ary na ny tenananreo ihany, dia tsy manana hevitra na herim-po ampy fahefana izany, raha tdy Andriamanitra ihany no manomea sain sy hery anareo; Koa tsarovy fa zavatara tsy maintsy ataonareo tokoatokoa ny mivavaka fatratra amin’Andriamnitrea hahazoanareo ny Fanahiny Masina. Ary satria tsy misy hahavitana izany raharaha maasina izany, izay hahazoan’ny olona famonjena, afa-tsy ny fampianarana sy ny fananarana avy amin’ny Soratera Masina mbamin’ny fitondrantena mifanaraka amin’izany, koa dia tsarovy lalandava fa tsy maintsy mazoto dia mazoto mamaky sy mandinika ny Soratra Masina hianareo; ary na ny tenananreo na  ny ankohonanareo, dia samy ty maintsy manaraka tsara ny lalàn’ny Soratra Masina, ary avelanareo ny raharahan’izao fiainana izao sy ny fiahiahiana amin’izany, araka izay azonareo atao.

Ampoizinay tokoa, ry Rahalahy malala, fa efa nodinihinareo hatramin’ny ela izany, ka noho ny fahasoavan’Andriamnuitra dia vonona hanolo-tena mihitsy hianareo, hanao ny raharaha niantsoan’Andriamanitra anareo, sady hikely aina, araka izay faran’ny azonareo atao, hahalavorary izany. Ary izao kosa no toro-hevitra ataonay aminareo: Mivavaha amin’Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy tokana, mba hahazoanareo ny fanampian’ny Fanhy Masina avy any an-danitra;

Numéro de page - 190

Vakio isan’andro sy diniho tsara ny Soratra masina mba hitomboanareo hery lalandava amin’ny raharahan’ny Ministera: Mikeleza aina hanamasinana ny tenanareo sy ny ankohonanareo hahatonga anareo ho ohatra harahan’ny hafa amin’ny fankatoavana ny lalàn’i Kristy.

Ary mba hahalalan’ity fiangonana ity fa kasaianreo hatao tokoa ireo zavatra voalaza ireo, sady ho fampirisihana anareo hahahtanteraka izany, dia valio mazava ireto fanontaniana ireto, izay ataonay amin’ny Anaran’Andriamanitra sy ny EklesIanao .

MOA ataonao fa voantso marina tokoaIanao araka ny sitrapon’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny Fomban’ny Eklesia, ho amin’ny Filaharana ny Raharah’nny Presbytera?

Valiny Ataoko fa izany

Ny Eveka

MOA ekenao marina fa ny Soratra Masin ihany no misy ny fampianarana rehetra izay ilaina hahazoana famonejna mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ka ny Soratra Masina ihany no hampianarinao ny oilona tandremanao, ary tsy hampianatra fa misy zavatra hafa na inona na inona hahazoana famonjena mandrakizay afa-tsy izay azo alaina amin’ny Soratra Masina na azo famarinina avy aminy?

Valiny Manaiky izany aho, ary mikasa mafy tokoa hanao izany noho ny fahasoavan’Andriamanitra

Ny Eveka

MOA tena hazoto vaIanao hanao ny fampianaran’i Kristy sy ny Sakramentany mbamin’ny Disiplininy, araka izay nodidiany hatao sy nandraisan’ity Eklesia ity azy, araka ny didin’Andriamanitra, ka hampianatra ny olona tandremanao mba hanaraka sy hitandrina azy hankato izany?

Valiny Hazoto aho hanao izany noho ny fanampian’ny Tompo ahy.

Numéro de page - 191

Ny Eveka

MOA Ianao ho vonona lalandava mba hikely aina handà sy hamongotra ny fampianarana tsy marina rehetra izay tsy mifanaraka amin’ny tenin’Andriamanitra, ka hanantra ny olona tandremanao rehetra na ny marary na ny finaritra, araka izay mety sy azo atao, na am-piangonana na any an—tokantranony avy?

Valiny Ho vonona hanao izany aho, noho ny fanampian’ny Tompo ahy

Ny Eveka

MOAIanao hazoto mivavaka sy mamaky ny Soratra Masina ary mandinika iuzay rehetra hitomboan’ny fahavalonao azy, ka tsy hovariana amin’ny raharahan’izao tontolo izao? Sy ny nofo?

Valiny Hazoto hanao izany aho, noho ny fanampian’ny Tompo ahy

Ny Eveka

MOA hanao araka izay tratry ny ainao vaIanao hitondrantena sy hampitondra tena ny ankoihonanao araka ny fampianaran’i Kristy, mba hahatonga anareo ho ohatra tsara arahin’ny andian’ondrin’i Kristy

Valiny Hataoko izany, amin’ny fanampian’ny Tompo ahy

Ny Eveka

MOA hampahiratra sy hampandroso ny fiadanana sy ny fihavanana ary ny fifankatiavana amin’ny olona rehetra araka izay zakan’ny ainao va hIanao , indrindra fa amin’izay hotandremanao?

Valiny Hiezaka hanao izany aho, noho ny fnaampian’ny Tompo ahy

Numéro de page - 192

Ny Eveka

MOAIanao hankato amim-panajana ny Eveka sy ny Mlinistera lehibe, izay efa notendrena hitandrina sy hiutondra anao eo amin’ny Eklesia, ka hanaraka amim-pankasitrahana ny anatra tsara ataony, ary hanaiky ny hevitra marina atorony?

Valiny Hanao izany aho, noho ny fanampian’ny Tompo ahy

Dia hitsangana ny Eveka ka hanao hoe:

ANDRIAMANITRA Tsitoha, Izay efa nanome anareo sitrapo hanao izany rehetra izany, hanome tanjaka sy hery anareo anie hahatanterahanareo izany, mba hahavitany ny asany izay natombony tao anatinareo; amin’ny alan’i Jesoa Kristy Tompontsika Amena

Dia hangataka hivavaka mangingina sy hangataka izany zavatra rehetra izany amim-panetren-tena ny mpiangona, ary dia hangina kelikely ny fiangonana.

Rehefa afaka izany, dia hataon’ny Eveka ny VENI CREATOR SPIRITUS, dia handohaloika ny olona izay hotendrena ho Presbytera ary amin’izany dia hitarika ny hira ny Eveka, ary ny Presbytera syny mpiangona ao, dia hifamaly aminy toy izao:

AVIA, Fanahy Masina ô

Hitahy ny fanahinay,

Aidino afo velona,

Ka hazavao ny hevitray,

 

Ny fanomezam-pitonao,

Atero, ry Mpanosotra,

FaIanao no manome

Ny aina sy fiononana

 

Ampahirato izahay

Hahita ny hadiovanao,

Hosory koa ny tavanay

Ho miramirana aminao

 

Sakano’zay manafika,

Ka ampandrio ny taninay,

RahaIanao mitarika

Tsy misy izay hanjo anay

 

Tariho mba ho fantatray

Ny Trinité Isaorana,

Ka dia hatao ty tapaka

‘Lay hira tsy mitsahatra;

Dera ho Anao anie!

Ray, Fanahy, Zanaka ô Amena

Numéro de page - 193

 

Aoka isika hivavaka

ANDRIAMANITRA Tsitoha  sady Ray any an-danitra ô, ny fitiavanao anay sy ny fahatsaranao aminay no efa nanomezanao an’i Jesoa Kristy Zanakao-lahy Tokana malala indrindra ho MPNAVOTRA ANAY SY HO Fototry ny fiainana mandrakizay; fa raha nahatanteraka ny fanavotana anay atamin’ny Nahafatesany Izy ka niakatra any an-danitra, dia naniraka Apostoly sy Profeta sy Evanjelista sy Mpampiantra ary Mpitandrina ho any amin’ny firenena rehetra, ary tamin’ny fanompoana sy ny asa nataon’izy ireo no namoriany andian’ondry lehiba manerana izao tontolo izao ho fiderana ny soatokoa izahay noho izany, ka dia mitsaoka sy midera Anaoi, satria sitrakao ny niantso ireto mpanomponao ireto hanao izany raharaha voatendry hahazoan’ny olona famonjena izany; ary mifona aminao amin’ny Anaran’ny Zanakao Isaorana izahay, mba omeo fahasoavana izay rehetra miantso ny Anaranao masina na aiza na aiza hisaorany Anao mandrakariva noho izany sy ny soa rehetra nataonao taminy; ary aoka izahay mba handroso isan’andro amin’ny finoana sy ny fahalalana Anao sy ny Zanakao noho ny fiasan’ny Fanahy Masina. Ary mangataka aminao izahay, aoka ireto Ministera ireto sy ny olona anendrenao azy mba hankalaza ny anaranao masina sy hampandroso ny fanjakanao; amin’ny alaan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay miara-belona sy miara-manjaka aminao sy ny Fanahy MASINA MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY Amena

Numéro de page - 194

Rehefa vita izany ny Eveka mbamin’ny Presbytera izay eo dia hametraka ny tànany amin’ny lohan’ny olona tsirairay avy izay hotendrena ho Presbytera samy mandohalika, dia hataon’ny Eveka hoe:

RAISO ny Fanahy Masina atolotra anao ankehitriny amin’ny fametrahanay tànana. Izay hanaovanao ny raharahan’ny Presbytera sy ny fanompoany eo amin’ny Eklesian’Andriamanitra. Na helok’iza na helok’iza no avelanao dia ho voavela izany; ary na an’iza na an’iza no tsy avelanao, dia tsy ho voavela izany. Ary aokaIanao mahatoky amin’ny fanolorana ny tenin’Andriamanitra sy ny Sakramentany masina: Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina Amena

Dia hatolotry ny Eveka eo an-tànany ny Baiboly raha mbola mandohalika izy ka hataony hoe:

RAISO ny fahefana hitorIanao  nhy Tenin’Andrimanitra sy hanoloranao ny Sakramenta masina ao amin’ny fiangonana izay anendrena anao.

Rehefa afaka izany; dia hatao ny Foto-pinoana Nikeana ka handrosoa hanao ny Komoniona Masina ny Eveka: dia hiara-mandray avokoa izay vao notendrena, ary mbola handohalika eo amin’ny fitoerana nametrahan-tànana taminy ihany izy rehetra mandra-pandrainy ny Komoniona.

Rehefa vita ny Komoniona dia hatao eo alohan’ny Tso-drano izao Kolekta izao:

RAY mamindra fo ô, mangataka aminao izahay, iomeo ny mpanomponao ireto ny fitahianapo avy any an-danitra, hamaliana fahamarinana azy, ary aoka ny teninao haloiaky ny vavany tsy ho voatonona foana fa hahatanteraka izay sitrakao. Ary omeo ny fahasoavanao izahay handraisanay tsara ny ambarany, na ny teninao masina indrindra na ny hevitra mifanaraka aminy, hahazoanay famonejna. Ary izahay hikatsaka ny voninahitrao sy hampandroso ny fanjakanao Amena

Numéro de page - 195

TOMPO ô, aoka ny fitiavanao mahasoa indrindra no hialoha sy hampandrosoa anay mandrakarica, aka aoka, izay rehetra atombokay no hotanterahinay ao aminao, mba ho lazanao sy ho voninahitrao, sy hahazoanay ny fiainana mandrakizay amin’ny farany noho ny famindramponao; amin’ny alalan’i Jesao kristy Tomponay Amena

NY fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo anie ao amin’ny fahalalana sy ny fitiavana an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy Zanany Tompontsika; ary ny fitahian’Andriamanitra Tsitoha, Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, ho amionareo anie, hitoetra aminareo mandrakariova amena.

Raha andro iray no anaovana Diakona ny sasany ary Presbytera ny sasany, dia hatolotra aloha izay hatao Diakona dia vao izay ho Prebsytera ary indray maka ihany no hatao ny Litany. Samy hatao ny Kolekta roa, ka ny ho an’ny Diakona no aloha vay ny ho an’ny Presbytera. Ny Epistily dia ny Efes 4-7-13. Rehefa voavaky izany, dia haroso ny fanaovana ny Diakona. Ary rehefa novakian’ny anankiray amin’ny Diakona ny Filazantsara (dia ny S.Mat 9,36-38, na ny S.Lio 12.35-38), dia hatao ny fanendren’ny Presbytera araka ny voalahtra ihany.

Numéro de page - 196