Ny fanendrena diakona


Retour

RAY amin’Andriamanitra ô, atolotro ahatao Diakona ireto olona ireto.

 

 

 

Ny Eveka

TANDREMO fandrao ny olona atolotrao ahy no tsy ampy fahaizana na tsy mendrika amin’ny fitondrantenany, hanao marina ny raharahany, ho voninahitr’Andriamanitra, sy ho fanatsarana ny Eklesiany.

Dia hamaly ny Arsidiakona hoe:

EFA nandinika sy nanadina azy aho, ary ataoko fa mahay sy mendrika ziy.

Dia hanao amin’ny olona hoe ny Eveka:

RY havako rehetra, raha misy aminareo mahalala izay tsy tokony hampidirana ireto olona ireto ho Diakona: Amin’ny Anaran’Andriamanitra dia aoka izy hilaza izao ankehitriny izao izay tsiny lehibe na fikasana hitany.

Raha misy tsiny lehibe na fisakanana mieho, dia tsy hotendren’ny Eveka aloha ilay olona ampangaina mandra-pahitany fa tsy manan-tsiny izy.

Dia hangatahin’ny Eveka hivavaka ho an’ireo hotendrena ny mpiangona dia hanao ny Litany izy sy ny Ministera ary ny fiangonana rehetra.

Ny fifonana voatendry.

AOKA ho sitrakao hitahy ireto mpanomponao ireo izay horaisina aho amin’ny filaharan’ny Diakona, ary hampidina amin’ny fahasoavanao, mba hahatanterahany ny raharahany, ho fanatsarana ny EklesIanao  sy ho voninahitry ny Anaranao.

Numéro de page - 182

Dia hatao amin’izao ny Komoniona, mbamin’ny Kolekta, Epistily, ny Filazantsara, araka izao manaraka izao

Ny Kolekta

ANDRIAMANITRA Tsitoha ô,Ianao dia nanendry Ministera samy hafa amin’ny EkesIanao ; sady nanolo-tsaina ny Apostolinao hanendry an’i Ssanta Stefana, maritioranao voalohany, sy ny namany ho diakona. Tsinjovy amin’ny famindramponao ireto mpanomponao ireto, izay antsoina ankehitriny ho amin’izany filaharana izany; fenoy ny fahamarinan’ny teninao izy, ary omeo fitondrantena madio, hanompoany Anao marina tokoa amin’izao raharaha izao, na amin’ny teny na amin’ny atao, ho oninahitry ny Anaranao, ary ho fanatsarana ny EklesIanao ; amin’ny alaln’i Jesoa Kristy Mpamonjy anay. Izay miara-belona sy miara-manjaka aminao sy ny Fanahy Masina, ankehitriny sy mandrakizay Amena.

 

Alohan’ny hamakiana ny Filazantsara, dia hipetraka amin’ny sezany ny Eveka ka hamotopototra ireo olona hotendrena eo anatrehan’ny fiangonana, araka izao fanontaniana izao.

MOA matoky hIanao , fa ampirisihan’ny Fanahy Masina handray izao raharaha izao, hanompoana an’Andriamanitra ho fampandrosoana ny voninhiny sy fahasoavana ny olony?

Valiny. Matoky izany aho

Numéro de page - 183

Ny  Eveka

MOA ataonao va fa voantso marina hIanao , araka ny sitrapon’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny fitsipika Anglikana, hanao izao fanompoana amin’ny EklesIanao  izao?

Valiny Ataoko fa izany.

Ny Eveka

MOA inoanao marina tokoa ho tenin’Andriamanitra ny Soratra Masina, dia ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao?

Valiny Mino izany aho

Ny Eveka

MOA hazoto mamaky azy amin’ny olona ao amin’ny Fiangonana hanompoana va hIanao ?

Valiny Hanao izany aho

Ny Eveka

NY foto-draharahan’ny Diakona dia izao: ny manampy ny Presbytera amin’ny Fivavahana, indrindra fa amin’ny fanorolana ny Komoniona Masina; ny mamaky ny Soratra Masina eo amin,’ny Fiangonana; ny mampianatra ny ankizy madinika ny Katekisma; ny manao batisa raha tsy ao ny Presbytera,n ary ny mitoriteny raha eken’ny Eveka. Ary izao no raharahany: ny mizaha sy mamangy ny marary sy ny mahantra ary ny milaza amin’ny Presbytera ny anarany sy ny toetrany ary ny fonenany, mba hanampiana azy amin’ny rakitry ny fiangonana, na any zavatra hafa omen’ny olona Moa hataonao amin-jotom-po sy an-kafaliana va izany?

Valiny Hataoko izany, noho ny famindrampon’Andriamanitra ahy

Numéro de page - 184

Ny Eveka

MOA hanao araka izay tratry ny ainao vaIanao hitondra tena sy hampitondra tena ny ankohonanao araka ny fampianaran’i Kristy mba hahatonga anareo ho ohatra tsara arahin’ny andian’ondrin’i Kristy?

Valiny Hanao izany aho, noho ny fanampian’ny Tompo ahy.

MOAIanao hankato amim-panajana ny Eveka sy ny Ministera lehibenao, izay efa notendrena hitandrina sy hitondra anao, eo amin’ny Eklesia, ka hanaraka amim-pankasitrahana ny anatra tsara ataony?

Valiny Hanao izany aho, noho ny fanampian’ny Tompo ahy

Dia handohalika eo anoloan’ny Eveka ireo hotendrena ka samy hametrahany tànana tsirairai avy sy hataony hoe:

RAISO ny fahefana hanaovanao ny Raharahan’ny Diakona eo amin’ny Eklesian’Andriamanitra amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina Amena

Dia hotoloran’ny Eveka ny Testamenta Vaovao tsirairay avy izy ka hataony hoe:;

RAISO ny fahefana hamakIanao  ny Filazantsara eo amin’ny Eklesian’Andriamanitra, sy hitorIanao  azy, raha eken’ny Eveka hanao izany hianao .

Ny Diakona ananakiray izay fidin’ny Eveka dia hamaky ny Filazantsara

S Lio xii.35

Numéro de page - 185

Dia handroso hanao ny Komoniona Masina ny Eveka ka haira mandray aminy izy rehetra vanotendrena.

Rehefa vita ny Komoniona sy ny Kolekta farany, dia hatao alohan’ny Tso-drano ireto Kolekta ireto.

 

ANDRIAMANITRA Tsitoha, Mpanome ny zava-tsoa rehetra ô, noho ny fahasoavanao lehibeIanao dia efa nandray ireto mpanomponao ireto ho Diakona ao amin’ny EklesIanao ; Mangataka aminao izahay, Tompo ô, aoka izy ho maotina sy hietritena ary hazoto amin’ny fanompoanay Anao, ary hanaiky amin’ny fankasitrahana ny fananarana rehetra araka ny fanahy: ary aoka izy hanana fieritreretana tsara mandrakariva sy faharetana mafy  amin’i Jesoa Kristy Zanakao, ka dia hitondra tsara izao raharaha iantsoana azy izao mba hahamendrika azy hantsoina hanao raharaha ambonimbony kokoa aio amin’ny EklesIanao ; amin’ny alaln’i Jesoa Kristy Zanakao sy Mpamonjy anay, Izay omem-boninahitra sy laza, mandrakizay mandrakizay Amena.

TOMPO ô, aoka ny fitiavanao mahasoa indrindra no hialoha sy hampandrosoa anay mandrariva , ka aoka izay rehetra atombokay no hotanterahinay ao aminao, mba ho lazanao sy ho voniahitrao, ny hahazoanay fiainana mandrakizay amin’ny farany noho ny famindramponao; amin’ny alaln’i Jesoa Kristy Tomponay Amena

NY fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo anie ao amin’ny fahalalana sy ny fitiavana an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy Zanany Tompontsika; ary ny fitahian’Andriamanitra Tsitoha, Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, aho aminareo anei, ary hitoetra aminareo mandrakariva Amena

Ary aoka ho fantatry ny Diakona fa tsy maintsy, manao ny raharahany herintaona raha kely indrindra (raha tsy misy antony maika ilàn’ny Eveka azy ho Presbytera) mba hahaizany hitondra fiangonana. Ary rehefa hita marina fa mahatoky, sady mazoto amin’izany izy, dia azon’ny Eveka tendrena ho Presbytera eo anatrehan’ny finagonana, amin’ireo fotoana voatokana, na hafa raha misy antony lehibe, amin’ny Alahady na Andro Festa hafa araka izao fomba izao.

Numéro de page - 186