Ny kominationa


Retour

Mbamin’ny fivavahana sasany koa izay hatao amin’ny iantombohan’ny Fotom-pifaliana sy amin’ny andro hafa koa, izay anendren’ny Eveka azy.

Rehefa vita ny Fivavahana Maraina sy ny Litany, dia hataon’ny Presbytera hoe:

RY HAVAKO, ny EkesIanao  taloha dia nanao fananarana mafy tamin’ny niantombohan’ny Fotoam-pifadiana, fa nasaina nampiseho teo ampahi-bemaso ny fibebahany ny olona izay meloka amin’ny fahotana miharihary, ka dia nofaizina amin’izao fiainana izao izy, hamonjena ny fanahiny amin’ny andro fitsarana , ary mba ho anatra ho an’ny sasany koa tsy hanotany intsony.

Ary tsara tokoa raha haverina izany fananarana izany, kanefa ambara-panao izany indray, dia ataon’ny Eklesia fa mety raha vakina ho solon’izany ny teny filazana, fa maka ozona ho an’ny tenanany ny mpanota tsy mety mibebaka, araka ny voalazan’ny toko faha fito amby roapolo amin’ny boky Deotoronomia, sy ny toko sasany amin’ny Soratra Masina: ary tokony hovalianareo hoe “Amena”.

Isaky ny tapitra ny filazana azy. Ny anton’izany, dia ny mba hampahafantarana antsika ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny mpanota, sy ny hitaomana antsika hibebaka mafy sy marina, ary mba hitandremana tsara ny ataontsika amin’izao andro izao, ka hialantsika amin’ny fahotana izay ekentika rahateo fa mendrika hahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amintsika.

VOAOZONA ny olona izay manao sarin-javatra voasikotra na sarin-javtra anidina, hivavahana

Ary hamaly ny olona ka hanao hoe: Amena

Numéro de page - 173

Ministera. Voaozona izay manao tsinontsinona ny rainy sy ny reniny

Valiny. Amena

Ministera. Voaozona izay mamindra ny faritanin’ny namany

Valiny. Amena

Ministera. Voaozona izay mampivily lalàna ny jamlba

Valiny. Amena

Ministera. Voaozona izay manao fitsarana miangatra amin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena

Valiny. Amena

Ministera. Voaozona izay mandry amin’ny vadin’ny namany

Valiny. Amena

Ministera Voaozona izay mandray kolikoly hahafaty ny olo-marina

Valiny Amena

Ministera. Voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin’i Jehovah ny fony

Valiny. Amena

Numéro de page - 174

Ministera. Voaozona ny tsy mamindra fo, ny mpijangajanga, ny mpaka vadin’olona, ny mpahihitra, ny mpanompo sampy, ny mpanendrikendrika, ny mpimamo sy ny mpaka an-keriny

Valiny.Amena

 

Ministera

DIA hitantsika amin’izany, ry Havako, fa voaozona izay rehetra mivily amin’ny didin’Andriamanitra, koa aoka isika hiverina amin’ny Tompontsika amin’ny fo torotoro sy mibebaka, sady mitomany, no malahelo indrindra noho ny fahotana natoantsika, ary hiaiky ny helontsika ka hamoa voa miendrika fibebahana, ary hahatsiaro ny fitsarana mahatahotra, izay miraviravy ao ambonin’ny lohantsika ka mila hianjera amintika mandrakariva. Fa efa mipetraka eo amin’ny fototry ny hazo sahady ny famaky, koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara, dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo; zavatra mahatahotra ny ho azon’ny tànan’Andriamanitra velona: handatsaka fandrika amin’ny ratsy fanahy Izy; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany. Fa indro Jehovaha mivoaka amin’ny tany noho ny helony. Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona raha miseho Izy? Eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamloloany, ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra, fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin’ny afo tsy mety maty. Ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo: raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.

Numéro de page - 175

Dia hiseho amin’ny andro famaliana ny fahatezeran’Andriamanitra, izay efa novorin’ny mpanota mafy hatoka ho an’ny tenany noho ny ditrany: fa izy nanamavo ny fahatsaran’Andriamanitra sy ny fandeferany amin’ny niantsoany azy mandrakariva hibebaka. Dia vao hiantso Ahy izy (hoy ny Tompo), fa tsy hamaly Aho; dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy hitany Aho; satria nankahala ny fahalalana izy ary tsy nifidy ny fahatahorana an’i Jehovah, tsy nekeny ny saina natolotro, notsiratsiainy avokoa ny anatro rehetra. Dia ho aoriana loatra ny mandondona, rehefa narindrina ny varavarana, ary ho diso fotoana ny fangatahana famindrampo, rehefa tonga ny andro fitsarana. Endrey! Hanameloka azy, raha holazaina aminy hoe: Mialà amiko, hianareo izay voaozona, ho any amin’ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.

Koa amin’izany, ry Havako, aoka sisika hitandrina rahateo, dieny mbola hisy famonjena, fa avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona. Fa aoka hino ny mazava isika, raha mbola manana ny mazava, ka hitondra tena tahaka ny zanaky ny mazava, mba hanariana antsika any amin’ny maizina any ivelany, izay itomaniana sy ikotrohana nify. Aza tsiratsiraina ny fmaindrapon’Andriamanitra, Izay miantso antsika hibebaka, ka hanaiky hamela ny heloka vitantsika, noho ny famindram-pony tsy hita lany, raha amin’ny fo marina sy mahitsy no iverenantsika aminy. Fa na dia tahaka ny jaky aza ny fahotantsika, dia ho fotsy tahaka ny orampanala; ary na dia mangatsakatsaka tahaka ny sily aza; dia tahaka ny volon’ondry fotsy. Mibebaha amin’ny fahadisoanareo rehetra (hoy ny Tompo), dia tsy ho tonfa fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.

Numéro de page - 176

Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra, izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty hianareo, ry tarank’Israely? Fa tsy sitrako ny ahafatesan’izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha hianareo mba ho velona. Fa na dia nanota aza isika, dia manana Solovava ao amin’ny Ray, dia Jesoa Kristy Ilay Marina; ary Izy no avotra noho ny fahotantsika. Fa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantika, sy notorotoroina noho ny helotsika. Ko aoka isika hiverina aminy, fa Izy no handray amin’ny famindrampony ny mpanota mibebaka; ary aoka isika hatoky tsara fa horaisiny tokoa, sady havelany ny helotsika, raha manatona Azy amin’ny fibebahana marina; raha manaiky Azy sy mandeha aminy lalany hatramin’izao isika, ary mety mitoetra amin’ny ziogany mora sy entany maivana mitondra ny Azy amin’ny fanetren-tena sy ny faharetana ary ny fitiavany, sady mety hotarihin’ny Fanahin’ny Masina, sy hitady ny voninahiny mandrakariva ary hanompo Azy amin’ny fisaorana araka izay mety hataontika.

Raha manao zainy isika, ry Havako, Kristy dia hanafaka antsika amin’ny fanozonan’ny Lalàna, ary amin’ilay fanozonana mafy indrindra, izay hianjera amin’izay hapetrany eo amin’ny ankavia; ary hamertraka antsika eo amin’ny ankavanany Izy. Ka hanome antsika ny fitahiana mahasambatra avy amin’ny Rainay ary hampandova antsika ny fanjakany be voninahitra. Aoka ny famindrapony anie no hitondrana antsika ho amin’izany Amena

Numéro de page - 177

Dia handohalika izy rehetra, ary hataon’ny Presbytera sy ny olona izao salamo izao:

Salamo 51

 

Tompo ô, mamindra fo aminay

Kristy ô, mamindra fo aminay

Tompo ô, mamindra fo aminay

RAINAY Izay any an-danitra. Hohamasinina anie ny Anarano: Ho tonga anie ny fanjakanao Hatao anie ny sitraponao: Ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay tahaka ny amelanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amena

Ministera. Tompo ô, vonjeo ny mpanomponao

Valiny. Izay matoky Anao

Ministera. Aidino aminy ny fanampiana avy any ambony

Valiny. Ary arovy mandrakariva amin’ny herinao izy

Ministera. Ampio izahay, Andriamanitra Mpamonjy anay ô

Valiny. Ary noho ny voninahitra ny Anaranao iantrao izahay; mamindrà fo aminay mpanota noho ny Anaranao

Ministera. Tompo ô, henoy ny fivavahanay

Valiny. Ary aoka ny fitarainanay ho tonga any aminao.

Numéro de page - 178

TOMPO ô, mifona aminao izahay, henoy amin’ny famindramponao ny fivavahany, ka iantrao izay manaiky ny fahotany aminao, mba ho afa-keloka noho ny famindramponao izay rehetra ampangain’ny fieritreretany, amin’ny alaln’i Kristy Tomponay Amena

ANDRIAMANITRA Tsitoha sy Ray be indrafo indrindra ô,Ianao miantra ny olona rehetra ka tsy misy tsy tIanao  izay efa noforoninao. Tsy sitrakao ny hahafatesan’ny mpanota, fa aleonao ny hialany amin’ny fahotany mba ho voavonjy. Mamelà ny helokay noho ny famindramponao: raiso sy ampionony izahay, izay malahelo sy mavesatra entana noho ny fahotanay. Anao ny ny mamindra fo mandrakariva; Anay ihany ny mamela heloka: Miantrà anay, Tompo ô, mamelà ny olonao, izay efa navotanao; aza mifandahtra amin’ny mpanomponao eo am-pitsarana, dia izahay izay mpanota mahantra feno haratsiana, fa esory aminay izay miaiky ny faharatsianay ny fahatezeranao, raha mibebaka marina tokoa noho ny fahotanay izahay, ary faingàna hanampy anay amin’izao fiainana izao, hahavelona anay mandrakizay amin’ny fiainana ho avy; amin’ny alaln’i Jesoa Kristy Tomponay Amena

Dia hotononin’izy rehetra izao fivavahana tarihin’ny Ministera izao:

AVERENO izahay, Tompo ô, dia hoi voaverina izahay, Manaova soa, Tompo ô, manaova soa amin’ny olonao, izay miverina aminao amin’ny fitomaniana sy ny fifadiana ary ny fivavahana. Fa HIanao , Andriamanitra be indrafo, dia feno famindrampo, mahari-po ka be fiantrana.Ianao miantra raha tokony hampijaliana izahay, ary amin’ny fahatezerano dia mahatsiaro famindrampo ihany. Iantrao ny olonao, Tompo ô, iantrao izy ka aza avela ho latsa ny lovanao. Henoy izahay, Tompo ô, fa lehibe ny famindramponao, ka tsinjovy izahay, araka ny haben’ny fiantranao, noho ny fitiavan’i Jesoa Kristy Zanakao Isaorana Tompony Amena

Numéro de page - 179

Dia hoy ny Ministera hanao hoe:

HITAHY antsika anie ny Tompo ka hiaro antsika; hampamirapiratra ny tavany amintsika anie ny Tompo ka hamindra fo amintsika; Hanandratra ny tavany amintsika anie ny Tompo ka hanome antsika fiadanana anlehitriny sy mandrakizay Amena.

Numéro de page - 180