Ny hoe: “Izaho no fananganana ny maty”, ets, hosoloina ireto andininy ireo:
AVELAO ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory. Ary nitrotro azy Izy, dia nametra-tanana taminy ka nitso-drano azy S.Marka x.14-16.
AVIA hianareo izay notahian’ny Raiko, mandova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao S.Matio xxv.34
MIFALIA sy miravoravoa noho ny zanaky ny marina fa hangonina ireo ka hisaotra ny Tompo Tobita xiii.13
JEHOVAH no manome, ary Jehovah no nanisotra; isaorana anie ny anaran’i Jehovah, Joba i.21
Ny Salamao dia anankiray amin’ireto
Faha-8, na faha-23, na faha-24
Ny Lesona dia Apokalipsy vii.9-17
Rehefa mby eo akaikin’ny fasana ny teny hoe:
“Ny olombelona tera-behivavy” ets, dia hosoloana ireto:
IZAO no lazain’i Jehovah: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin’ny zanany, satria lany ritra ireny, Izao no lazain’i Jehovah: Atsaharo ny fitomanIanao sy ny fandatsahanao ranomaso: fa hisy valiny tokoa ny ataonao, hoy Jehovah, Jeremia xxxi.15-16
FA rehefa niseho ny fahamoram-panahin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina, Izay naidiny betsaka tamintsika tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy, Mpamonjy antsika, mba hohamarinina amin'ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay. Titosy iii.4.7