Ny fanaovana ny komoniona ho an’ny maty


Retour

ANDRIAMANITRA mamindra fo ô, Rain’i Jesoa Kristy Tomponay. Izay Fananganana ny maty sy Fiainana, Izy no ahaveloman’ny mino na dia maty aza; fa izay rehetra velona ka mino Azy dia tsy ho faty mandrakiza; ary koa Izy no nampianatra anay (tamin’i S.Paoly Apostoliny masina) mba ty halahelo izay efa nodi-mandry ao aminy tahaka ny sasany tsy manana fanantenana; Mitaraina aminao izahay, Ray ô, mba hanangana anay izay maty ao amin’ny fahotana mba ho velona amin’ny fahamarinana; ary rehefa miala amin’izao fiainana izao izahay, aoka mba hitoetra koa ao amin’i Kristy, Izay antenainay fa  itoeran’ny havanay ka amin’ny fananganana ny maty amin’ny andro farany, mba horaisinay anie ny fitahiana hotononin’ny Zanakao malala manao hoe: Avia, ry zanaka notahian’ny Raiko, mandovà ny fanjakana voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao  Omeo izany, Ray mamindra fo ô, amin’ny alaln’i jesoa Kristy Mpanalalana sy Mpanavotra anay Amena

Numéro de page - 171