Araka ny fanao dia hankao am-piangonana ny vehivavy rehefa avy nifana, ka handohalika ny Presbytera, izay hanao hoe:
SATRIA efa sitrak’Andriamanitra Tsitoha noho ny hfahatsarany, hanafaka anao soa aman-tsara ka efa niaro anao tamin’ny ady mafy izay momba ny fiterahana; koa dia tokony hisaotra an’Andriamanitra amin’ny fonaoIanao ka hanao hoe:
(Dia hovakian’ny Presbytera ny salamo 116)
Salamo 116 Na Salamo 127
Dia hataon’ny Presbytera hoe:
Aoka isika hivavaka,
Tompo ô mamindra fo aminay
Kristy ô, mamindra fo aminay
Tompo ô, mamindra fo aminay
RAINAY Izay any an-danitra. Hohamasinina anie ny Anarano: Ho tonga anie ny fanjakanao Hatao anie ny sitraponao: Ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay tahaka ny amelanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra, mandrakizay Amena
Ministera.Tompo ô, vonjeo ity mpanompovavinao ity:
Valiny.Izy matoky Anao
Ministera.Aoka ho tilikambo fiarovana azy anie HIanao
Valiny.Handosirany ny fahavalony
Ministera.Tompo ô, henoy ny fivavahanay
Valiny.Ary aoka ny fitarainanay ho tonga any aminao
Ministera.Aoka isika hivavaka
ANDRIAMANITRA Tsitoha ô, misaotra Anao amin’ny fanetren-tena izahay, satria efa sitrakao hanafaka ity mpanompovavinao ity tamin’ny fanaintainana momba ny fiterahana; ary mifona aminao izahay, Ray mamindra fo ô, aoka izy hohamasinin’ny fahasoavanao mba hitondratena tsara ka andeha araka ny sitraponao amin’izao fiainana izao, hahazoany ny voninahitra amandrakizay amin’ny fiainana ho avy; amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay Amena
Ary ny vehivavy izay manao fisaorana, dia tokony hanao rakitra: ary raha misy Komoniona Masina atao, dia mety raha mandray izy.