Ny Kristiana ihany no azo atao Mariazy, Ary raha tsy efa manoratra ny fanambadiany tao amin’ny bokim-panjakana ny olona sady misy vavolombelona tsy tahaka noho ny efatra, dia tsy azo atao Mariazy. Izay naongana, na efa nisaraka am-panambadiana hatramin’nynaha-Kristiana azy, na te-hanam-bady izay raràn’ny lalàn’ny Eklesia, dia tsy hatao Mariazy.
Voalohany, ny anaran’ny olona izay mikasa hatao Mariazy dia tsy maintsy antsoin’ny Ministera ao am-piangonana, alohan’ny toriteny, ary tokony hatao intelo Alahady izany, na amin’ny Maraina na amin’ny Hariva, araka izao:
Izaho manambara fa RA.....mikasa hampakatra an-dRA.......amin’ny Mariazy masina. Koa raha misy aminareo mahalala izay tsy mahamety ny hanamasinana ny fanambadian’ireo olona ireo, dia aoka izy hilaza. Izao no fanambarana voalohany (na fahroa na fahatelo).
Ary raha samy hafa ny tanàna itoeran’ireo olona hatao Mariazy ireo, dia tsy maintsy hantsoina amin’ireo tanàna anankiray dia ty hanamasina ny Mariazy, raha tsy efa nilazan’ny Ministera amin’ny tanàna hafa ny efa niantsoany azy.
Raha tonga ny fotoana voatendry, dia hankany am-piangonana ny olona hatao Mariazy mbamin’ny havany sy ny sakaizany; ary dia hiara-mitsanagana zo izy, ka ny lehilahy ho eo ankavanan’ny vehivavy, ary dia hataon’ny Presbytera hoe:
RY Malala, tafavory eto anbatrehan’Andriamanitra sy ity fiangonana ity isika, hanamaasina ny fanambadian’ity lehilahy ity sy ity vehivavy ity, fa toetra manan-kaja notendren’Andriamanitra fony tsy mbola nanota ny olombelona ny fanambadiana, ka maneho amintsika ny fikambanan’i Kristy sy ny Eklesiany; ary izany toetra masina izany dia nohajain’i Kristy sy nohasoaviny tamin’ny nanatrehany ilay fanambadiana tany Kana any Galilia, sy ny fahagagana voalohany izay nataony tamin’izay; sady derain’ny Apostoly koa ho manan-kaja amin’ny olona rehetra; Koa amin’izany dia ty tokony hatao amin’nyt ty fiheverana ny fanambadiana, an mba hampanaranam-po ny filàn’ny nofo; fa tokony hatao amin’ny fiheverana sy ny fahononan-tena ary ny fahatahorana an’Andriamanitra; fa izao no antony nanendrena azy.
Voalohany, notendrena izy mba hananana fara aman-dimby, hotaizana amin’ny fahatahorana sy ny fitondrana tian’izy Tompo, ho fiderana ny Anarany masina
Faharoa, notendrena izy hahafahana amin’ny ota sy handosirana ny fijangajangana; mba hahazoan’ny olona mitahiry ny tenany ho sampana madio momba ny tenan’i Kristy.
Fahatelo, notendrena izy ho fifampihavanana sy ho fifanampiana ary ho fifampiononana, na an-kasoavana na an-karatsiana. Koa mba hanamasinana ny fanambadiany no ahatongavan’ireto olona roa iretoeto ankehitrinyt. Ary amin’izany raha misy aminareo mahay manambara marina, izay ty mahamety ny hanamasinana ny fanambadiany, aoka izy tsy hiteny izany intsony mandrakizay.
Ary dia hiteny amin’ny olona izay hatao Mariazy izy, ka hanao hoe:
IZAHO mananatra anareo, araka ny mbola hovalianareo amin’ny andro fitsarana mahatahotra,, izay hisehaon’ny miafina ao am-po rehetra, raha misy fantatrareo roroa, izay tsy mahamety ny hanamasinana ny fanambadianareo, dia lazao ankehitriny izany; satria aoka ho fantatrareo marina; fa izay mivady tsy araka ny tenin’Andriamanitra, dia tsy ampikambanin’Andriamanitra, sady tsy marina ny fanambadiany.
Rehefa tsy misy antony hampijanonana azy, dia hataon’ny Presbytera amin-dralehilahy hoe:
RA....Moa manaiky ity vehivavy ity ho vadinao va hIanao , hiara-hipetraka aminy araka ny nanendren’Andriamanitra amin’ny toetry ny Fanambadiana masina? Ho tia azy va hIanao , hamelona azy, hanaja sy hitandrina azy, na mararyizy na finaritra, ary handà ny vehivavy hafa rehetra va hIanao , ka hijanona amini’zy ireryihany raha mbola velona hianareo roroa?
Dia hamaly ny lehilahy hoe:
Manaiky izany aho
Dia hataon’ny Presbytera amin’ny vehivavy hoe:
RA.....Moa manaiky ity lehilahy va hIanao , hiara-hipetraka aminy araka ny nanendren’Andriamanitra amin’ny toetry ny Fanambadiana masina? Ho tia azy va hIanao , hamelona azy, hanaja sy hitandrina azy, na mararyizy na finaritra, ary handà ny vehivavy hafa rehetra va hIanao , ka hijanona amini’zy ireryihany raha mbola velona hianareo roroa?
Dia hamaly ny vehivavy hoe:
Manaiky izany aho
Dia hataon’ny Presbytera hoe:
Iza no mamoaka ity vehivavy ity ho vadin’ity lehilahy ity?
Dia hifanome toky izy rora. Rehefa nandray ny vehivavy tamin’ny tànan’ny rainy na ny havany ny Presbytera, dia hasainy raisin*dralehilahy amin’ny tànany ankavanana ny tànana ankavanan-dravehivay, dia hampanarahiny izao teny izao ralehilahy.
IZAHO RA......mandray anao RA.........ho vadiko amin’ny Mariazy masina, mba hitana anao hatramin’ity andro ity, na an-kasoavana, na an-karatiana, na hanankarena na halehlo, na ho farofy na ho salama, ho tia sy hiahy anao araka ny didin’Andriamanitra ahy ambara-pampisaraky ny fahafatesana antika: ary amin’izany dia toky no omeko anao.
Dia hosarahiny aloha ny tànany, ary horaisin’ny vehivavy kosa amin’ny tànany ankavanana ny tànanana ankavanan’y lehilahy dia hanaraka ny tenin’ny Ministera izy ka hanao hoe:
IZAHO RA...........mandray anao RA........ ho vadiko amin’ny Mariazy masina, mba hitana anao hatramin’ity andro ity, na an-kasoavana, na an-karatiana, na hanankarena na halehlo, na ho farofy na ho salama, ho tia sy hiahy anao araka ny didin’Andriamanitra ahy ambara-pampisaraky ny fahafatesana antika: ary amin’izany dia toky no omeko anao.
Dia hosarahiny indray ny tànanay, ary ny lehilahy dia hanome peratra ny vehivavy, nefa hametraka io peratra io sy ny fanatitra ataony eo ambonin’ny boky ny Presbytera aloha. Ary ny Presbytera dia hanao hoe:
Ny famonjena antika dia ny Anaran’ny Tompo
Valiny
Mpanao ny lanitra sy ny tany
Presbytera
Tompo ô henoy ny fivavahanay
Valiny
Ary aoka ny fitarainanay ho tonga any aminao
Presbytera
Homba anareo anie ny Tompo
Valiny
Ary homba ny fanahinao
Presbytera
Aoka isika hivavaka
TOMPO ô, tahio ity peratra ity, izay tsofinay rano amin’ny Anaranao: Ary omeo ity vehivavy ity izay hanao aminy ny fahasoavanao, mba hitandremany tsara ny voady masina nataony, sy hifankatiavany amin’ny vadiny amin’ny andro rehetra hiainany: amin’ny alaln’i Jesoa Kristy Tomponay Amena.
Dia hatolotry ny Presbytera amin-dralehilahy indray ny peratra mba hatsofony amin’ny ratsan-tànana manarakaraka ny ankihikelin’ny tànana ankavian-dravehivavy. Ary ny lheilahy mbola mitana azy ihany, dia hanaraka ny tenin’ny Presbytera manao hoe:
ITY peratra ity no famantarana ny ampakarako anao ho vadiko; ny tenako no anajako anao; ny ananako hiambonako aminao, Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena
Ary havelan-dralehilahy eo ny peratra, dia handohalika izy roa, ary ny Presbytera hanao hoe:
Aoka isika hivavaka
ANDRIAMANITRA mandrakizay ô, Mpmorona sy Mpiaro ny olombelona rehetra, Mpamorona sy Mpiaro ny olombelona rehetra, Mpanome ny fahasoavam-*panahy rehetra, ary Fototry ny fiainana mandrakizay; Ampidino amin’ireto mpanomponao ireto ny fitahIanao , dia amin’ity lehilahy ity sy ity vehivavy ity, izay tsofinay rano amin’ny Anaranao; ary aoka izy mba haiara-mipetraka amin’ny fifampahatokiana, tahaka an’i Isaka sy Rebeka, mba hahatanteraka ny fanekekna masina vao nataony, (ka ny peratra nomena sy voaray no famantarana sy toky ny amin’izany), ary hiara-mipetraka mandrakariva amin’ny fifankatiavana sy ny fivavahana tanteraka ka hitondratena araka ny lalànao; amin’ny alan’i Jesoa Kristy Tomponay Amena
Dia hampifandraisin’ny Presbytera ny tànany ankavanana ka hataony hoe:
Izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’ny olona
Dia hiteny amin’ny olona ny Presbytera ka hanao hoe:
SATRIA RA....sy RA... dia efa nifanaiky amin’ny Mariazy masina, ary efa nanambatra izany eto anatrehan’Andriamanitra sy ity Fiangonana ity, ka hifanome toky ny amin’izany, sady efa naneho izany tamin’ny nanomezana sy ny nandraisana peratra, sy tamin’ny nifandraisan-tànana: dia milaza aho fa marina ny fanambadiany, Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina Amena.
Ary dia hampian’ny Presbytera izao tso-drano izao:
ANDRIAMANITRA Ray, Andriamanitra Zanaka, Andriamanitra Fanahy Masina, hitahy sy hitandrina ary hiaro anareo anie: ny Tompo hitsinjo anareo amin’ny famindrampony; hofenoiny ny fitariham-panahy sy ny fahasoavana rehetra anie hianareo, hiarahanareo mipetrka tsara amin’izao fiainana izao, mba hahazoanareo ny fiainana mandrakizay amin’ny ho avy Amena
Dia hanatona ny Latabatra Masina ny Ministera, ka dia hatao izao Salamo izao:
Salamo 128
SAMBATRA izay rehetra matahotra an'i Jehovah: dia izay mandeha amin'ny lalany.
Fa hohaninao tokoa ny asan'ny tananao; Sambatra sady ambinina Ianao .
Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin'ny tranonao; ny zanakao dia tahaka ny zanak'oliva Manodidina ny latabatrao.
Indro, fa toy izany no hitahiana: Izay lehilahy matahotra an'i Jehovah.
Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah;
Ary ho faly hahita ny fahasoavan'i Jerosalema anie Ianao Amin'ny andro rehetra hiainanao.
Eny, hahita ny zafinao anie Ianao ; Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.
Ho an’ny Ray sy ny Zanaka: ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra;
Tahaka ny hatramin’ny taloha, sy ankehitriny: ary mandrakariva ho mandrakizay doria Amena.
Na Salamo 67
Rehefa vita ny Salamo, dia handohalika manatrika ny Alitara ireo olona natao Mariazy ireo; ary ny Presbytera dia hitsangana eo amin’ny Alitara manatrika ny olonna ka hanao hoe:
Tompo ô, mamindra fo aminay
Kristy ô, mamindra fo aminay
Tompo ô, mamindra fo aminay
RAINAY Izay any an-danitra. Hohamasinina anie ny Anarano: Ho tonga anie ny fanjakanao Hatao anie ny sitraponao: Ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay tahaka ny amelanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amena
Ministera. Tompo ô, vonjeo ireto mpanomponao ireto:
Valiny.Izay matoky Anao
Ministera.Tompo ô ampidino aminy ny fanampIanao avy amin’ny fitoeranao masina;
Valiny.Ary arovy mandrakariva izy
Ministera.Aoka ho fiarovana azy anie HIanao ,
Valiny.Eo anatrehan’ny fahavalony
Ministera Tompo ô, henoy ny fivavahanay
Valiny.Ary aoka ny fitaraianany ho tonga any aminao
Presbytera
ANDRIAMANITR’i Abrahama, Andriamnitr’Isaka, Andriamnitr’i Jakoba ô, tahio ireto mpanomponao ireto, ary afafazo ao am-pony ny voan’ny fiainana mandrakizay: mba hahatanterahany tokoa izay hianarany ao amin’ny Teninao masina Tompo ô, tsinjovy avy any an-danitra amin’ny famindramponao izy ka tahio.
Ary aoka mba hotoy ny nitahIanao an’i Abrahama sy Saraha no hitahIanao ireto mpanomponao ireto hahazoany fampiononana. Ary aoka koa izy mba hanaraka ny sitraponao, ka hitoetra amin’ny fitiavanao mandra-pahafatiny; amin’ny alan’i Jesoa Kristy Tomponay Amena.ity Fivavahana ity dia hajanona, raha tokony tsy hiteraka ny vehivavy
TOMPO mamindra fo, Ray any an-danitra ô, ny fanomezanao mahasoa no mahamora fara ny olombelona; ka mangataka aminao izahay, aoka hampian’ny fitahIanao ireto olona roa ireto; mba ho maro anaka, sy ho ela velona amin’ny fifankatiavana sy ny fahamarinana, mba hitaizany tsara ny zanany araka ny fitondrana kristiana ho fiderana sy ho fanajana Anao; amin’ny alan’i Jesoa Krity Tomponay Amena.
ANDRIAMANITRA ô, ny fahefanao lehibe no naharIanao ny zavatra rehetra tamin’ny tsinotsinona:Ianao koa dia nanendry, fa ny lehilahy( izay nataonao tahaka ny endrikao) no hiavian’ny vehivavy; ary nampianatra anay tamin’ny nampikambananao azy, fa tsy mty akory ny mampisaraka izay efa nataonao ho tena iray amin’ny Fanambadiana, Andriamanitra ô,Ianao dia efa nanamasina ny Fanambadiana mba ho Sakramenta malaza manambara ny fampakaran’i Kristy ny Eklesiany sy ny firaisany fanahy aminy: Koa tsinjovy amin’ny famindramponao ireto mpanomponao ireto, mba ho tian’ny lehilahy ity ny vadiny, araka ny teninao, (tahaka ny itiavan’i Kristy ny Eklesiany sy nynanomezany ny Tenany hamonjy azy), ary ity vehivavy ity kosa dia mba ho be fitiavana ny vadiny, ka ho marina sy mahatoky ary hanoa azy; ary aoka izy hanahaka ny vehivavy masina sy tsara fanahy amin’ny fahamaotinana. Tompo ô, tahio izy roroa, ary aoka mba handova ny fanjakanao mandrakizay amin’ny alaln’i Jesoa Kristy Tomponay Amena.
Rehefa vita izany ka tsy misy toriteny hilaza ny mety hataon’ny mpivady, dia hovakian’ny Presbytera izao teny izao:
HIANAREO rehetra izay efa manambady, na izay mikasa hanambady, mihainoa izay lazain’y Soratra Masina ny amin’ny mety hataon’ny lahy amin’ny vavy, arty ny mety hataon’ny vavy amin’ny lahy.
S.Paoly, ao amin’ny Epistily nosoratany tamin’ny Efesiana, Toko faha dimy, dia mandidy ny lehilahy rehetra izay manambady, dia toy izao:
Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny Eklesia ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana amin'ny teny; mba horaisiny ho an'ny tenany izany ho Eklesia malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an'i Kristy amin'ny fiangonana; fa momba ny tenany isika. “Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin'ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa”. Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin'i Kristy sy ny Eklesia aho. Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany hianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.
Ary toraka izany koa S.Paoly raha nanoratra tamin’ny Kolosiana dia miteny amin’ny lehilahy rehetra izay manambady, toy izao:
Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, ary aza sosotra aminy
Henoy koa izay lazain’i S.Petera Apostolin’i Kristy izay rehetra manambady, fa izy koa dia nanambady:
Hianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin'ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan'ny fiainana,- mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.
Dia efa renareo izao ny mety hataon’ny lahy amin’ny vavy. Ary izao dia mihainoa kosa hianareo vehivavy, ary ianaronareo ny mety hataonareo amin’ny lehilahy araka ny voalazan’ny Soratra Masina.
S.Paoly teo amin’nyEpistily nosoratany tamin’ny Efesiana dia nampianatra anareo toy izao:
Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena. Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra.
Ary hoy indray izy: Ary aoka ny vavy hanaja ny lahy.
Ary S.Paoly eo amin’ny Epistily nosoratany tamin’ny Kolosiana dia manantra anareo fohifohy toy izao: Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo
S.Petera koa dia mampiantra anreo tsara toy izao:
Ary toy izany koa, hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan'ny fitondran- tenan'ny vavy izy, na dia tsy amin'ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny), rehefa hitany ny fahadiovan'ny fitondran-tenanareo amin'ny fahatahorana. Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana; fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lò, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason'Andriamanitra. Fa tahaka izany no niravahan'ny vehivavy masina fahiny, izay nanantena an'Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny; dia tahaka an'i Saraha, izay nanaiky an'i Abrahama ka nanao azy hoe "tompoko"; dia zanany hianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona.
Dia hataon’ny Presbytera hoe:
ANDRIAMANITRA Tsitoha, Izay namorona an’i Adama sy Eva razantsika tamin’ny voalohany, sady nanamasina sy nampikambana azy tamin’ny Fanambadiana, hampidina aminareo ny haren’ny fahasoavany anie Izy, hanamasina sy hitahy anareo mba hankasitrahanay izay rehetra ataonareo na amin’ny nofo na amin’ny fanahay, mba hiarahanareo mipetraka amin’ny fifankatiavana masina mandra-pahafatinareo Amena.
Mety raha mandray ny Komoniona Masina ny olona amin’ny andro anamasinana ny fanambadiany na amin’ny andro misy Fandraisana voalohany ao amin’izany.
Izao no Kolekta sy Epistily ary Filazantsara hatao amin’ny Komoniona Masina momba ny Mariazy.
Ny Kolekta
ANDRIAMANITRA Rainay ô,Ianao dia efa nampianatra anay, tamin’ny tenin’ny Apostolinao Masina, fa ny fitiavana no fahatanterahana ny lalànao. Koa mangataka aminao izahay, aoka ireto mpanomponao ireto, mba hifankatia sy handroso fitiavana Anao amin’ny andro rehetra iainany; amin’ny alaln’i Jesoa Kristy Tomponay, Izay miara-belona sy miara-manjaka aminao amin’ny firaisan’ny Fanahy Masina, Andriamanitra Iray ihany mandrakizay Amena
Ny Epistily: Efesiana iii.14-19
Ny Filazantsara: S.Jaon xv.9-12