Ny fanaovana konfirmasiona


Retour

Araka ny didin’y Eklesia, dia tsy hisy Konfirmasiona afa-tsy izay mahay ny Foto-pinoana sy ny Fivavahan’ny Tompo ary ny Didy Folo, sady mahavaly ny fanontaniana ao amin’ny Katekisma: ary tokony hotandremana izany didy izany, fa rehefa nampianarina tsara ny olona ny amin’izay niantohan’ny mpiantoka azy tamin’ny nanaovana batisa azy, dia ny tenany ihany no manamafy izany amin’ny vavany sy ny sitrapony eo antrehan’ny Fiangonana ary manaiky fa amin’ny fanampian’Andriamanitra no hitandremany tsara hatramin’ny farany ny zavatra nekeny an-tsitrapo.

Amin’ny andro voatendry, rehefa mitsangana milahatra eo anatrehan’ny Eveka izay rehetra hatao Konfirmasiona, dia hovakina izao teny izao:

RY malala ao amin’ny Tompo, amin’ny fanaovana Konfirmasiona ny Eklesia dia manaraka izay nataon’ny Apostolin’i Kristy. Ary hitantsika ao amin’ny toko faha-8 amin’ny Asan’ny Apostoly izao teny izao izay milaza izany: “Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny. Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an’i Kristy tamin’ny olona tao. Ary rehefa nino an’i Filipo nitory teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra sy ny Anaran’i Jesoa Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy. Ary nony ren’ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin’Andriamanitra, dia naniraka an’i Petera sy Jaona izay hankany aminy. Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an’ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina. Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ihany izy. Ary izy roa lahy nametra-tànana, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo”.

Numéro de page - 147

Koa ampianaran’izany tenin’ny Soratra Masina izany isika fa amin’ny Konfirmasiona dia misy famantarana hita maso, dia ny fametrahan-tanan’ny Eveka omban’ny fivavahana, ary fahasoavam-panahy ao anaty izay tsy hita maso, dia ny fanatanjahan’ny Fanhy Masina antsika, Andriamanitra irery ihany no ihavian’izany fanomezana izany. Noho izany aoka isika hangataka amin’Andriamanitra Tsitoha, tahaka izay nataon’ny Apostoly, mba hampidinany ny Fanahy Masina amin’ireto olona ireto izay efa natsangana ho zanany tamin’ny nanaovana batisa azy.

Ary koa mba hahalan’ity fiangonana ity fa hianareo izay hatao Konfirmasiona ankehitriny dia mikasa mafy hanaiky ny finoana an’i Kristy, Izay nohomboana tamin’ny Hazo Fijaliana, ary hitomban-dahy hiady ao ambanin’ny fanevany; ary mba hahatsiarovanareo mandrakariva ny fiantsoan’i Kristy anareo sy ny tena ilainareo tokoa  ny fanampian’ny Fanahy Masina lalandava: noho izany, alohan’ny hametrahan-tanàna aminareo, dia didian’ny Eklesia hianareo hanaiky miharihary eto anatrehan’Andriamanitra sy ity fiangonana ity fa hanatanteraka ny adidy Kristiana izay noraisinareo tamin’ny nanaovana batisa anareo.

Dia hataon’ny Eveka hoe:

moa lavinareo va ny devoly, sy izao tontolo izao, ary ny filàn-dratsin’ny nofo, ka tsy hanaraka izany na hotarihin’izany hianareo?

Ary samy hamaly avy izy rehetra ka hanao hoe:

mandà izany rehetra izany aho.

Numéro de page - 148

Ny Eveka. Moa inoanareo va ny Foto-pinoana Kristiana?

Valiny.Mino fatratra izany aho

Ny Eveka.Moa hitandrina sy hankato ny sitrapon’Andriamanitra sy ny didiny masina va hianareo ka hitondrantena araka izany amin’ny andro rehetra hiainanareo?

Valiny.Hiezaka hanao izany  aho, anoho ny fanampian’ny Tompo ahy

(na izao no hatao solon’izany:

Ny Eveka.Moa havaozinareo eto anatrehan’Andriamanitra sy ity fiangonana ity va ny fanekena sy ny voady masina izay nataonareo tamin’ny nanaovana batisa anareo; koa manamafy izany va hianareo ka manaiky fa tsy maintsy mino sy manao izay rehetra niantohany anareo tamin’izany?

Valiny Eny)

Ny Eveka

Ny famonjena antsika dia ny Anaran’ny Tompo:

Valiny .Mpanao ny lanitra sy ny tany

Eveka.Isaorana anie ny Anaran’ny Tompo:

Valiny.Hatramin’izao ka ho mandrakizay

Eveka.Tompo ô, henoy ny fivavahanay:

Valiny.Ary aoka ny fitarainanay ho tonga any aminao

Ny Eveka

Aoka isika hivavaka

Numéro de page - 149

ANDRIAMANITRA Tsitoha sy mandrakizay ô, indreto ny mpanomponao izay efa naterakao tamin’ny rano sy ny Fanahy Masina, sady efa navelanao koa ny helony rehetra: Mifona aminao izahay, Tompo ô, hatanjaho amin’ny Fanahy Masina Parakleto izy, ary ampitomboy isan’andro ao aminy ny fanomezam-pitonao, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina, ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana, ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatsaram-panahy, ary fenoy ny fahatahorana masina Ano izy, Tompo ô, ankehitriny sy mandrakizay Amena

Dia handohalika eo anatrehan’ny Eveka izy ary ny Eveka dia hametraka ny tànany amin’ny lohany avy ka hanao hoe:

TOMPO ô, arovy amin’ny fahasoavanao avy any an-danitra ity zanakao ity, mba ho Anao mandrakizay izy; ka hitombo isan’andro amin’ny Fanahinao Masina, mandra-pahatongany any amin’ny fanjakanao mandrakizay Amena

Dia hataon’ny Eveka hoe:

Homba anareo anie ny Tompo

Valiny.Ary homba ny fanahinao

Dia handohalika izy rehetra ka hataon’ny Eveka hoe:

Aoka isika hivavaka

RAINAY Izay any an-danitra. Hohamasinina anie ny Anaranao: Ho tonga anie ny fanjakanao Hatao anie ny sitraponao: Ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay tahaka ny amelanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amena

Numéro de page - 150

Sy ity Kolekta ity:

ANDRIAMANITRA Tsitoha sy mandrakizay ô, Hianao ihany no mahatonga anay haniry sy hanao izay zavatra tsara sy sitrakao; mifona aminao izahay ho an’ireto mpanomponao ireto, izay efa nametrahanay tànana (araka ny fanaon’ny Apostolinao masina), mba hampahatoky azy ny fitiavanao sy ny fahatsaranao lehibe; aoka ny tànanao ho ao  amboniny mandrakariva; aoka ny Fanahinao Masina ho ao aminy lalandava; ary tariho izy hahalala sy hankato ny teninao, hahazoany ny fiainana mandrakizay amin’ny farany: amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay, Izay miara-belona sy miara-manjaka aminao sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra iray ihany, mandrakizay mandrakizay Amena.

TOMPO Tsitoha sy Andriamanitra mandrakizay ô, mifona aminao izahay, aoka ho sitrakao hitondra sy hanamasina ary hanapaka ny fonay sy ny tenanay amin’ny làlan’ny lalànao sy amin’ny fankatoavanay ny didinao; mba harovan’ny herinao tsitoha ny tenanay sy ny fanahinay, ankehitriny sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay sady Mpamonjy anay Amena

Dia hitso-drano azy ny Eveka toy izao:

Ny Fitahian’Andriamanitra Ttisoha, Ray sy zanaka ary Fanahy Masina ho aminareo anie, ary hitoetra aminareo mandrakariva Amena

Ary tsy hisy olona handray ny Komoniona Masina raha tsy efa vita Konfirmasiona izy, na miomana sy maniry hatao Konfirmasiona.

Numéro de page - 151