Ny katekisma


Retour

IZANY HOE, FOTO-PIANARANA IZAY HIANARAN’NY OLONA REHETRA ALOHAN’NY HANOLORANA AZY HATAON’NY EVEKA KONFIRMASIONA

Fanontaniana

IZA no anaranao?

Valiny, RA........

Fanon.Iza no nanao izany anarana izany?

Valiny, Ny mpiantoka ahy tamin’ny Batisa

Fanon, Nahatonga anao ho inona moa ny Batisa?

Valiny, Ny Batisa no nahatonga ahy ho rantsan’i Kristy, sy ho zanak’Andriamanitra ary ho mpandova ny fanjakan’ny lanitra.

Fanon, Inona no nataon’ny mpiantoka anao ho anao tamin’ny Batisa?

Valiny, Nivoady sy niantoka zavatra telo amin’ny anarako izy: voalohany, ny handavako ny devoly sy ny asany rehetra, ary ny fireharehana sy ny zava-poana amin’izao fiainana be fahotana izao, mbamin’ny filàn-dratsin’ny nofo rehetra; fahatoa, ny hinoako ny Foto-pinoana Kristiana; ary fahatelo, ny hitandremako ny sitrapon’Andriamanitra sy ny didiny, ary ny handehanako amin’izany amin’ny andro rehetra hiainako.

Fanon, Moa tsy maintsy mino sy manao araka ny tenin’ny Mpiantoka anao va hianao?

Valiny, Eny tokoa; ka hanao izany aho amin’ny fanampian’Andriamanitra ahy. Ary misaotra ny Raintsika any an-danitra amin’ny foko rehetra aho,

Numéro de page - 139

satria efa nantsoiny ho amin’izao toe-pamonjena izao aho, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Ary mangataka amin’Andriamanitra aho mba hanome ahy ny fahasoavany, haharetako amin’izany mandra-pahafatiko

Katekista

Tonony àry ny Foto-pinoanao

Valiny

IZAHO mino an’Andriamanitra, Ray Tsitoha Mpanao ny lanitra sy ny tany:

Ary an’i Jesoa Kristy, zananilahy Tokana Tompontsika, izay notorontoronina tamin’ny herin’ny Fanhy Masina, Naterak’i Maria Virijina, Nijaly tamin’ny nanapahan’i Pontio Pilato. Nohomboana tamin’ny hazo fijaliana, dia maty, ka nalevina, nidina tany amin’ny fiain-tsi-hita; Ary nony tamin’ny andro fahatelo dia nitsangana tamin’ny maty. Dia niakatra any an-danitra, ary mipetraka eo ankavan’Andriamanitra Ray Tsitoha; ary avy any no hihaviany indray hitsara ny velona sy ny maty.

Izaho mino ny Fanahy Masina; Ny Eklesia Masina Katolika; Ny Fiombonan’ny Santa; ny Famelan-keloka; Ny Fitsanganan’ny tena amin’ny maty, Ary ny Fiainana mandrakizay Amena

Fanon.Inona no ataonao ho tena hevitr’izany Foto-pinoana izany?

Valiny Izao no heviny:

voalohany, mino an’Andriamanitra Ray aho, Izay efa nanao ahy sy izao tontolo izao

faharoa, mino an’Andriamanitra Zanaka aho, Izay efa nanavotra ahy sy ny olombelona rehetra.

Fahatelo, mino an’Andriamanitra Fanahy Masina aho, Izay manamasina ahy sy ny olom-pidin’Andriamanitra rehetra.

Numéro de page - 140

Fanontaniana

Vao nolazainao fa ny mpiantoka anao dia nanome toky fa hitandrina ny Didin’Andriamanitra hianao, Firy moa izy?

Valiny. Folo

Fanon.Inona avy?

Valiny.Ilay nolazain’Andriamanitra ao amin’ny Bokin’ny Eksodosy, toko faha-roapolo, hoe:

izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nampivoaka anao avy tamin’ny tany Egypta, tamin’ny trano nahadevozana.

I. Aza manana andriamanin-kafa, fa izaho ihany

II.Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay ety amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miakohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy; nefa kosa mamindra fo amin’ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.

III.Aza manonona foana ny Anaran’i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon’i Jehova ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny Anarany;

IV.Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan’i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory hianao amin’izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. Fa henemana no nanovan’i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin’ny andro fahafito, izany no nitahian’i Jehovah ny andro Sabata sy ny nanamasinanany azy.

Numéro de page - 141

V.Manajà ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro hianao ao amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho anao

VI.Aza mamono olona

VII.Aza mijangajanga

VIII.Aza mangalatra

IX.Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao

X.Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao, aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ny namanao akory aza.

Fanontaniana

Inona no ataonao ho tena foto-kevitr’ireo didy ireo?

Valiny. Izao no foto-keviny: ny mety hataoko amin’Andriamanitra ary ny mety hataoko amin’ny namako.

Fanon.Inona no mety hataonao amin’Andriamanitra?

Valiny.Ny mety hataoko amin’Andrimanitra dia ny mino Azy sy matahotra Azy ary ny tia Azy amin’ny foko sy amin’ny saiko sy amin’ny fanahiko ary amin’ny heriko rehetra; ny mitsaoka Azy sy ny misaotra Azy ary ny matoky Azy indrindra sy ny mivavaka aminy sy ny manaja ny anarany masina mbamin’ny teniny, ary manompo Azy marina amin’ny andro rehetra hiainako.

Fanon.Inona no mety hataonao amin’ny namanao?

Valiny.Ny mety hataoko amin’ny namako dia ny tia azy tahaka ny tenako, sy ny manao amin’ny olona rehetra tahaka izay tiako hataony amiko; ny tia sy ny manaja sy ny manampy ny ray aman-dreniko: ny manoa ny Fanjakana sy izay rehetra manam-pahefana;

Numéro de page - 142

ny manaiky ny mpampiantra sy mpitondra ahy; manetry tena sy manaja ny lehibeko rehetra; ny tsy manimba olona na amin’ny fiteny na amin’ny fanao; ny ho marina sy ny ho mahatoky amin’ny raharahako rehetra;ny tsy mitahiry lolom-po na fankahalana  ao am-poko; ny tsy mangalatra na inona na inona, na ny mifosa na ny mandainga na ny manendrikendrika; ny mitandrina mba hahalala onony sy ho masina ary hadio fitondrantena; ny tsy mitsiriritra zavatr’olona; fa ny mianatra sy ny miasa mafy hahazoako fivelomana, ary ny manantanteraka tsara izay raharaha iantsoan’Andriamanitra ahy.

 

 

Katekista

RY havako malala, raha hianao ihany, dia tsy mahatanteraka ny didn’Andriamanitra sy ny fanompoana Azy akory, raha tsyampian’ny fahasoavany izay tsy maintsy angatahinao fatratra mandrakariva amin’ny fivavahana; koa tonony ary ny Fivavahan’ny Tompo.

Valiny

RAINAY Izay any an-danitra, Hohamasinina anie ny Anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao Hatao anie ny sitraponao: ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamela ny helokay tahaka ny amelanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, Fa manafaha anay amin’ny ratsy Amena

Fanon.Inona avy no angatahinao amin’ny Andriamanitra amin’io Fivavahana io?

Valiny.Mangataka amin’Andriamanitra Tompoko Raintsika any an-danitra, Izay mpanome ny fahatsarana rehetra, aho, mba hampidina ny fahasoavany amiko sy amin’ny olona rehetra hahaizantsika mitsaoka sy manompo ary manoa Azy araka izay tokony hatao.

Numéro de page - 143

Ary koa mangataka an’Andriamnitra aho mba hanome antsika ny zavatra rehetra izay ilaina, na ho an’ny fanahintsika na ny ho an’ny tenantsika koa; ary mba hamindra fo amintsika Izy ka hamela ny helotsika; ary mba hamonjy sy hiaro antsika tsy hiharan-doza na ny fanahintsika na ny tenantsika; ary mba hanafaka antsika amin’ny fahotana sy ny haratsiana rehetra sy amin’ny fahavalon’ny fanahintsika  ary amin’ny fahafatesana mandrakizay. Ary matoky aho fa hanao izany Izy, noho ny famindrampony sy ny fahatsarany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Koa izany no anaovako hoe: Amena, Ho to anie izany!

Fanontaniana

FIRY moa ny Sakramenta izay efa notendren’i Kristy ao amin’ny Eklesiany?

Valiny.Roa ihany no ilaina hahazoan’ny olona famonjena, dia ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo

Fanon.Inona moa no hevitry ny hoe Sakramenta?

Valiny Ny hoe Sakramenta dia famantarana hita maso izay anomezan’Andriamanitra antsika ny fahasoavany tsy hita maso, ary Kristy ihany no nanendry izany famantarana izany, hampandraisany antsika ny fahasoavany sy hampahatokiany antsika fa azontsika izany.

Fanon.Inona avy no maha-Sakramenta ny Sakramenta?

Valiny.Voalohany, ny famantarana eo ivelany izay hita; faharoa, ny fahasoavam-panahy ao anaty izay tsy hita

Numéro de page - 144

Fanon.Inona no famantarana hita maso ao amin’ny batisa?

Valiny.Rano, izay anaovana batisa ny olona, ho amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina

Fanon.Inona kosa no fahasoavam-panahy ao anaty izay tsy hita?

Valiny.Ny nahafatesana raha ny amin’ny ota sy ny fiteraham-baovao ho amin’ny fahamarinana; fa izany no anaovana antsika ho zanaky ny fahasoavana, na dia teraka tamin’ny ota araka ny toetra nolovantsika aza isika ka zanaky ny fahatezerana.

Fanon.Inona no ilaina amin’ny olona izay hatao batisa?

Valiny.Ny fibebehana amoizany ny fahotana, ary ny finoana inoany mafy ny nampanantenain’Andriamanitra azy amin’izany Sakramenta izany.

Fanon.Nahoana moa àry no atao batisa ny zazakely, nefa tsy mbola mahay mibebaka sy mino akory izy noho ny fahakelezany?

Valiny satria ny mpiantoka azy no ekeny ny fibebahana sy ny finoana, izay tsy mainty hotanterahin’ny tenany ihany rehefa lehibe izy.

Fanon.Inona moa no anton’ny nanendrena ny Fanasan’ny Tompo?

Valiny.Ho fahatsiarovana mandrakariva ny fanalamboadin’ny Fahafatesan’i Kristy sy ny zava-toa izay azontsika amin’izany.

Fanon.Inona ny famantarana hita maso amin’ny Fansan’ny Tompo?

Numéro de page - 145

Valiny.Mofo sy divay izay efa notendren’ny Tompo horaisina

Fanao.Handraisantsika inona moa no notendren’i Kristy izany Sakramenta izany?

Valiny.Handraisantsika ny Tenan’i Karisty sy ny Rany, izay alain’ny mino sy raisiny marina tokoa ao amin’ny Komoniona Masina.

Fanon.Inona no zava-tsoa izay azontsika amin’izany?

Valiny.Ny fanatanjahana sy ny famelomana ny fanahintsika amin’ny Tenan’i Kristy sy ny Rany, tahaka ny fanatanjahana sy ny famelomana ny tenantsika amin’ny fihinanana mofo sy divay.

Fanon.Inona no tsy mainty hataon’ny olona manatona ny Fanasan’ny Tompo?

Valiny.Hamantatra ny toetrany, na mibebaka marina tokoa noho ny fahotany izy ka mikasa mafy hanatsara ny fitondrantenany; na mino tokoa ny famindrampon’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ka mahatsiaro ny Fahafatesany amin’ny fisaorana; ary na mihavana amin’ny olona rehetra izy na tsia

Ny Ministera isam-piangonana dia tokony hazoto mampianatra sy manadina ny zaza rehetra ao am-piangonana amin’ny Alahady sy ny Andro Festa.

Ary ny ray aman-dreny rehetra koa dia samy tokony hazoto maniraka ny zanany sy ny akohonany, izay tsy mbola mahay ny Katekisma, ho any am-piangonana hianatra izany amin’ny fotoana voatendry.

Raha mandroso ny zaza, ka mahay tsianjery ny Foto-pinoana sy ny Fivavahan’ny Tompo ary ny Didy Folo, sady mahavaly ny fanontaniana ao amin’ny Katekisma, dia hatolotra amin’ny Eveka Izy hatao Konfirmasiona. Ary tokony ho eo koa ny Mpiantoka azy ho vavolombelona.

Numéro de page - 146