Ny fanaovana batisa atao ao an-trano


Retour

Ary tsy tokony hisalasala ny olona, fa ny zaza izay natao batisa toy izany, dia efa vita marina, ary tsy mety raha atao indray, kanefa kosa raha velona ihany ilay zazakely dia mety raha entina any am-piangonana izy, hahalaln’ny mpiangona ny nanaovana batisa azy. Ary dia hatao hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny voady ny Fomba Fanaovana Batisa. Ary manaraka izany, dia holazain’ny Ministera hoe:

IZAHO manambara aminareo, fa ity zaza ity dia efa natao batisa teo anatrehan’ny vavolombelona, sady araka ny fomban’ny Eklesia, tany...................tamin’ny andro................

Kanefa raha olon-kafa no nanao batisa ny zaza, ny Ministera dia hanadina na efa vita batisa marina izy na tsia, Ary amin’izany raha ny mitondra ny zaza ho ao am-piangonana mamaly fa “efa vita batisa marina ny zaza” dia hanontany azy indray ny Ministera hoe:

IZA moa no nanao batisa io zaza io? Ary iza no nanatrika ny nanaovana batisa azy?

Ary satria maika no nanaovana azy ka sao dia misy tsy natao ny zavatra sasany momba ity Sakramenta ity, koa dia manontany aho:

Tamin’inona moa no nanaovana batisa io zaza io?

Ho amin’ny Anaran’Iza no nanaovana batisa azy?

Ary rehefa namaly ny mitondra zaza, ka hitan’ny Ministera fa efa vita batisa araka ny fanao izy, dia handray azy hoi isan’ny fiangonana izy ka hanao hoe:

IZAHO Milaza aminareo, fa efa vita batisa araka ny fanao ity zaza ity, izay nateraka tamin’ny fahotana nolovany sy tamin’ny fahatezetan’Andriamanitra, koa dia efa voaray noho ny fiteraham-baovao amin’ny Batisa ho isan’ny zanak’Andriamanitra sy ho mpandova ny Fiainana mandrakizay izy ankehitriny: fa ny Tompontsika Jesoa Kristy tsy mandà tsy hanome ny fahasoavany sy ny famindrampony ny zaza, fa nantsoiny hanatona Azy noho ny fitiavany izy, araka ny voalazan’ny Filazantsarany masina.

Numéro de page - 136

Dia hiteny ny Presbytera hoe:

MANDRAY ity zaza ity ho isan’ny andian’ondrin’i Kristy isika, ka manamarika azy amin’ny mariky ny hazo fijaliana, ho famantarana fa hatrizao dia tsy ho menatra hanaiky ny finoana an’i Kristy. Izay nohomboana tamin’ny hazo fijaliana izy, ary hitomban-dahy hiady ao ambanin’ny fanevany, manohitra ny fahotana sy izao tontolo izao ary ny devoly, ka haharitra ho miaramila mahatoky sy ho mpanompon’i Kristy mandra-pahafatiny. Amena

Dia hotaperina ny Fomba Fanaovana Batisa ao am-piangonana

 

Nefa koa raha mampisalasa ny Presbytera ny tenin’ny mitondra ny zaza ka tsy hita marina fa ny zaza dia efa vita batisa tamin’ny Rano, ho amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina (fa izany dia tsy azo avela, dia hanao batisa azy indra araka ny Fanaovana batisa ny Zaza ao am-piangonana ny Presbytera ka hanao hoe:

Raha mbola tsy vita batisa hianao, RA....Izaho manao batisa anao, ho amin’ny Aanaran’y Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina Amena.

 

Numéro de page - 137

Dia hiteny ny Presbytera hoe:

MANDRAY ity zaza ity ho isan’ny andian’ondrin’i Kristy isika, ka manamarika azy amin’ny mariky ny hazo fijaliana, ho famantarana fa hatrizao dia tsy ho menatra hanaiky ny finoana an’i Kristy. Izay nohomboana tamin’ny hazo fijaliana izy, ary hitomban-dahy hiady ao ambanin’ny fanevany, manohitra ny fahotana sy izao tontolo izao ary ny devoly, ka haharitra ho miaramila mahatoky sy ho mpanompon’i Kristy mandra-pahafatiny. Amena

Dia hotaperina ny Fomba Fanaovana Batisa ao am-piangonana

 

Nefa koa raha mampisalasa ny Presbytera ny tenin’ny mitondra ny zaza ka tsy hita marina fa ny zaza dia efa vita batisa tamin’ny Rano, ho amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina (fa izany dia tsy azo avela, dia hanao batisa azy indra araka ny Fanaovana batisa ny Zaza ao am-piangonana nhy Presbytera ka hanao hoe:

Raha mbola tsy vita batisa hianap, RA....Izaho manao batisa anao, ho amin’ny Aanaran’y Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina Amena.

Numéro de page - 138