Fananarana farany raha misy olon-dehibe hatao batisa


Retour

indrindra fa eto anatrehanareo, izay nofidiny ho vavolombelona. Ary koa tsy maintsy hanarinareo izy, mba hazoto handinika ny Tenin’Andriamanitra masina, hitomboany amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompontsika, ary hitondrany tena tsara sy marina amin’izao fiainana izao.

Dia hiteny amin’izay vao natao batisa kosa izy ka hanao hoe:

ARY ny aminao, izay efa nitafy an’i Kristy tamin’ny Batisa, satria efa natao ho zanak’Andriamanitra sy ny mazava hianao amin’ny inoana an’i Jesoa Kristy, dia adidinao sy mety  hataonao kosa ny mandeha araka ny niantsoan’i Kristy anao, sy araka izay mendrika ny zanaky ny mazava.

Koa tsarovy fa ny Batisa no maneho amintsika ny fanekentsika dia izao: ny hanaraka izay nataon’i Kristy Mpamonjy antsika mba hatao tahaka Azy; fa tahaka ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty ho antsika, no tokony hahafatesantsika koa amin’ny ota, ka hitsanganantsika ho amin’ny fahamarinana, ary hamono mihitsy ny filandratsintsika sady handroso isan’andro amin’ny fahatsaram-panahy sy ny fitondrantena tian’Andriamanitra.

Numéro de page - 134

NY FANAOVANA BATISA ATAO AO AN-TRANO

Tokony hananatra ny olona matetika ny Ministera mba tsy hiandry ela loatra vao mitondra ny zanany hatao batisa, fa hatramin’ny Alahady faharoa aorian’ny nahaterahany dia tokony ho entiny izy, kanefa raha misy mahamaika, dia azo atao amin’ny Andro Festa, na amin’ny andro hafa, raha eken’ny Ministera.

Ary koa tokony hananatra azy izy, fa tsy mety ny mampanao batisa ny zanany ao an-trano, raha tsy an-kamehana. Kanefa raha sendra ilaina izany, dia azo atao batisa araka izao fombam-piuvavahana izao izy.

Voalohany, aoka ny Ministera sy izay tafavory no hangataka amin’Andriamnitra ka hanao ny Fivavahan’ny Tompo sy ny Kolekta voatendry ao amin’ny Fanaovana Batisa ao am-piangonana araka izay azo hatao. Ary dia holazaina ny anaran’ny zaza, ka hampidina rano amin’ny lohany ny Ministera azy hanao hoe:

RA...Izaho manao batisa anao ho amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina Amena

Dia handohalika izy rehetra, ary ny Ministera dia hisaotra an’Andriamanitra ka hanao hoe:

MISAOTRA Anao amin’ny fonay rehetra izahay, Ray mamindra fo indrindra ô, fa efa teraka indray amin’ny Fanahinao Masina ity zaza ity, sady voaray ho isan’ny zanakao amin’ny fananganan-anaka ary tafiditra ao amin’ny Eklesianao masina. Ary noho izy efa maty ny amin’ny ota ka niara-nalevina tamin’i Kristy ary velona ho amin’ny fahamarinana dia mifona aminao izahay, aoka izy mba hanombo ny toetrany taloha amin’ny hazo fijaliana, ka hahafoana mihitsy izay mety ho ota; ary satria, efa natao ho mpiombona ny Nahafatesan’ny Zanakao izy, dia aoka ho mpiombona ny fitsanganany tamin’ny maty koa, mba handovany ny fanjakanao mandrakizay miaraka min’ny Eklesianao masina amin’ny farany; amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay Amena.

Numéro de page - 135