NY FILAZANTSARA SY FANANARANA FANAO RAHA MISY OLON-DEHIBE HATAO BATISA
Dia hitsangana ny olona, ary ny Presbytera hanao hoe:
Henoy ny tenin’ny Filazantsara nosortan’i Santa Jaona ao amin’ny toko fahatelo, manomùboka amin’ny andininy voalohany.
ARY nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin’ny Jiosy. Izy nankao amin’i Jesoa nony alina ka nanao taminy hoe: Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin’Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba Azy.
Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra. hoy Nikodemosy taminy: Hataon’ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka?
Jesoa namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra ny fanjakan’Andriamanitra,. Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia Fanahy. Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray hianareo. Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrareo izay hihaviany na izay alehany dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny fanahy.
Rehefa vita izany dia hataony izao Fananarana izao.
RY havako, efa renareo tamin’izany Filazantsara izany ny teny nataon’i Kristy Mpamonjy antsika, fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy ny olona,
dia tsy mahazo miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy. Izany no ahitantsika fa tsy azo avela mihitsy ity Sakramenta ity, raha misy izay handraisana azy. Ary taloha kelin’ny niakaran’i Jesoa Kristy ho any an-danitra (araka izay vakiantsika ao amin’ny toko farany amin’ny Filazantsaran’i S.Marka) dia nandidy ny mpianany hoe Izy: Mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny Filazantsara anmin’ny olombelona rehetra. Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina. Koa izany no ahafantarantsika ny zava-tsoa lehibe azontsika avy aminy. Ary koa raha vao nitory ny Filazantsara S.Petera Apostoly, ka nisy maro voatsindrona tam-pony, ary nanao taminy sy ny Apostoly sasany hoe: Ry Rahalahy, inona no hataonay? Dia hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho ani’zay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’i Jehovah Andriamanintsika hanatona Azy; ary nananatra azy koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin’ity taranaka maditra ity hianareo. Ary hoy koa izy amin’ny Epistiliny; Izay mamonjy anareo ankehitriny dia ny Batisa tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ny nofo, anefa (hoy izy) fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny nitsangan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Koa aza misalasala akory hianareo, fa minoa fatratra, fa horaisiny amin’ny fitiavana ity olona eto anatrehantsika ity, izay mibebaka marina ka manatona Azy amin’ny finoana, ary hamela ny helony Izy ka hanome azy ny Fanahy Masina sy ny fitahiany dia ny fiainana mandrakizay, sady hanao azy ho mpiombona ny fanjakany tsy manam-pahataperana.
Koa satria matoky ny sitrapon’ny Raintsika any an-danitra isika, izay nambaran’i Jesoa Kristy Zanany ny amin’ity olona ity, dia aoka isika hisaotra Azy amin’ny finoana sy amin’ny fanetren-tena, ka hanao hoe: (Jereo amin’ny pejy faha-302).
Dia hiteny amin’ny olona hatao batisa ny Presbytera toy izao:
RY havako, tonga aty hianao mba hatao batisa, ary efa renao fa efa nivavaka ny fiangonana mba ho sitrak’i Jesoa Kristy Tompontsika ny handray anao sy hitahy anao sy hanafaka anao amin’ny helokao ary hanome anao ny fanjakan’ny lanitra sy ny fiainana mandrakizay. Ary koa efa renao fa JESOA Kristy Tompontsika dia manome toky antsika fa hotanterahiny tokoa izany hataka nataontika izany, koa noho izany, hianao kosa araka ny anjaranao dia tsy maintsy miantoka eto anatrehan’ireto vavolombelona ireto sy ity fiangonana ity handà ny devoly, sy ny asany rehetra sy hino mandrakariva ny Tenin’Andriamanitra masina ary hitandrina sy hankato ny didiny.
Dia samy hanontanian’ny Presbytera ny olona hatao batisa amin’ny Fanontaniana fanao (Pejy faha303).
FANANARANA FARANY
RAHA MISY OLON-DEHIBE HATAO BATISA
Dia hitsangana izy rehetra, ary hananatra azy ny Presbytera: nefa ny mpiantoka no hitenenany aloha hoe:
SATRIA ity olona ity efa nanaiky eto anatrehanareo handà ny devoly sy ny asany rehetra sy hino an’Andriamanitra ary hanompo Azy, dia tsy maintsy tsarovanareo, fa adidinareo mihitsy ny mampahatsiaro ary ny voady sy fanekena lehibe fa nataony ankehitriny eto anatrehan’ity fiangonana ity,