Tokony hilazana ny olona fa amin’ny Alahady sy ny Andro Festa, izay iangonan’ny olona maro, no mety hanaovana ny Batisa.
Ary misy zavatra roa mahamety izany:
Raha an-kamehana anefa, dia azo atao batisa ny olona na oviana na oviana.
Tokony hisy mpandray anankiroa hiantoka ny hatao batisa dia lehilahy anankiray sy vehivavy anankiray.
Raha misy zaza hatao batisa, dia tsy maintsy holazain’ny ray aman-dreniny amin’ny Ministera mialoha; ary ny ray amandreniny mbamin’ny mpiantoka ny zaza. Rehefa vita ny Lesona faharoa, dia hanatona ny Fonta, izay hasiana rano madio amin’izany.
Raha misy olon-dehibe hatao batisa, ny havany sy ny sakaizany dia hampandre ny Eveka sy ny Ministera hafa tokony ho herinandro aloha, mba hanadinana azy hahitana na fantany tsara ny fototry ny Fivavahana Kristiana na tsia, ary mba hananarany azy hiomana amin’ny fivavahana sy ny fifadiana alohan’ny handraisany ity Sakramenta ity.
Ary raha hitan’ny Ministera fa olona mendrika hatao batisa izy, koa tafavory ny olona, dia hiaraka amin’ny mpiantoka azy ho eo amin’ny Fonta izy, rehefa voavaky ny Lesona faharoa.
Ary hitsangana eo ny Presbytera ka hanao hoe:
MOA efa vita batisa va ity zaza (na olona) ity, sa tsia?
Raha mamaly hoe Izy Tsia, ny Presbytera dia hiteny hoe:
RY Havako, teraka amin’ny ota ny olona rehetra, ka raha tsy ateraka indray amin’ny rano sy ny Fanahy Masina izy, araka izay nolazain’i Kristy Mpamonjy antsika, dia tsy mahazo miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Koa aoka isika hangataka amin’Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy, mba hanomezany ity zaza (na olona) ity ny zava-tsoa izay tsy ho azony akory raha araka izao toetrany izao ihany, sady mba handraisany azy ho sampana velona momba an’i Kristy ao amin’ny Eklesia Masina.
Dia hataon’ny Presbytera hoe:
Aoka isika hivavaka
Ary dia handohalika ny mpiangona rehetra
ANDRIAMANITRA Tsitoha sy mandrakizay ô, tamin’ny famindramponao lehibe, rano no namonjenao an’i Noa sy ny mpianakaviny teo amin’ny Sambo-fiara mba tsy ho faty; ary koa, Hianao dia nitondra soa aman-tsara ny Zanak’Israely olonao namaky ny Ranomasina Mena, ka nampiseho tamin’izany ny tandindon’ny Batisanao masina; ary koa, tamin’ny nanaovana batisa an’i Jesoa Kristy Zanakao malala tao amin’ny renirano Jordana, Hianao dia manamasina rano ho fanasana manaisotra fahotana: Koa mangataka aminao izahay noho ny famindramponao, tsinjovy amùin’ny fiantranao ity zaza (na olona) ity; sasao izy ka hamasino amin’ny Fanahy Masina; mba ho afaka amin’ny fahatezeranao kahoraisina ho ao anatin’ny sambo-fiaran’ny Eklesian’i kristy; ary aoka ny faharetany amin’ny finoana sy ny fijaliany amin’ny fanantenana ary ny fiorenany amin’ny fitiavana no hamakiany ny onjan’izao fiainana mitopatopa izao, mba ho tafatody soa aman-tsara any amin’ny tanin’ny fiainana mandrakizay amin’ny farany, mba hiara-manjaka ao aminao mandrakizay mandrakizay; amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay Amena
ANDRIAMANITRA Tsitoha sady mandrakizay ô, Mpanampy izay rehetra mahantra, Mpamonjy izay rehetra manatona Anao hovonjena, fiaianan’ny mino, ary fananganana ny maty; Mitaraina aminao izahay ho an’ity zaza (na olona) oty, izay manatona ny Batisa masina, mba hahazoany ny famelana ny helony amin’ny fiteraham-baovao. Raiso izy Tompo ô araka ny nampanantenainao anay amin’ny alalan’ny zanakao malala manao hoe: Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo;
dondony dia hovahana hianareo; koa ankehitriny aoka omena izahay izay mangataka; aoka izahay, izay mitady, hahita, vohay varavarana izahay, izay mandondona; mba hahazoan’ity zaza (na olona) ity ny fitahianao ka ho tonga any amin’ny fanjakanao mandrakizay; izay efa nampanantenainao azy; amin’ny alalan’i Kristy Tomponay Amena.
Dia hitsangana ny olona, ary ny Presbytera hanao hoe:
Henoy ny tenin’ny Filazantsara nosoratan’i S.Marka ao amin’ny toko fahafolo, ary ny andininy fahatelo ambin’ny folo.
ARY nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tànana; fa ny mpianany niteny mafy ireny. Nefa tezitra Jesoa raha nahita izany, ka hoy izy taminy: Avelao ny zaza hanatona hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra lazaiko aminareo marina tokoa na zovy na zovy no tsy handray,ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory. Ary nitrotro azy izy, dia nametra-tànana taminy ka nitso-drano azy.
(Raha misy olon-dehibe hatao batisa, ny Filazantsara (S.Jaona toko faha 3) sy ny famaranana momba azy no hatao. Izahao ao ariana amin’ny pejy faha308).
Rehefa voavaky ny Filazantsara dia hananatra ny olona ny Ministera hoe:
RY Havako, efa renareo ny tenin’i Kristy Mpamonjy antsika, fa nasainy nentina tany aminy ny zaza, ary nomeny tsiny izay nitady hisakana azy, sady nanariny ny olona rehetra mba ho madio tahaka azy, eny nitrotro azy Izy sy nametra-tanana taminy ary nitso-drano azy. Koa matokia hianareo fa horaisiny tsara toy izany koa ity zaza ity, sady hotrotroiny ary homeny ny fitahiany
dia ny fianana mandrakizay sy anjara amin’ny fanjakany any an-danitra; fa tian’i Kristy tokoa izao asa soa ataontsika izao. Dia ny hitondrantsika ity zaza ity hatao Batisa Koa dia aoka hisaotra Azy amin’ny finoana sy amin’ny fanetren-tena isika ka hiara-manao hoe:
ANDRIAMANITRA Tsitoha sy mandrakizay Ray any an-danitra ô, misaotra Anao amin’ny fanetren-tena izahay, satria efa sitraky ny fonao hiantso anay ho amin’ny fahalalana ny fahasoavanao sy ho amin’ny finoana Anao: Ampitomboy ato anatinay izany fahalalana izany. Omeo ny Fanahinao Masina ity zaza (na olona) ity, mba ho teraka indray izy ka hatao ho mpandova ny famonjena mandrakizay: amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay, Izay miara-belona sy miara-manjaka aminao mbamin’ny Fanahy Masina, ankehitriny sy mandrakizay mandrakizay Amena..
Dia hananatra ny mpiantoka ny zaza toy izao ny Presbytera:
RY Havako, mitondra ity zaza ity eto hatao batisa hianareo sady mangataka an’i Jesoa Kristy handray azy sy hamela ny helony sy hanamasina azy amin’ny Fanahy Masina ary hanome azy ny fiainana mandrakizay. Ary Jesoa Kristy koa dia manome toky antsika fa hotanterahiny tokoa izany hataka ataontsika izany. Ary ity zaza ity kosa dia manana adidy amin’izao anaovana batisa azy izao, ka tsy maintsy manome toky amin’ny alalanareo mpiantoka azy, ambara-pahaleony tena ka hanaiky izany ho azy, fa handà ny devoly sy ny asany rehetra izy, ary hino marina ny tenin’Andriamanitra sady hankato tsara ny didiny.
Koa valio amin’ny anaran’ity zaza ity izao fanontaniako anareo izao:
MOA lavinao va ny devoly sy ny asany rehetra sy ny rehaka momba izao fiainana izao mbamin’ny fitsiriritana ary ny filandratsin’ny nofo ka tsy hanaraka izany na hotarihin’izany hianao?
Valiny.Mandà izany rehetra izany aho.
Ministera
MOA inoanao va ny Foto-pinoana Kristiana?
Valiny: Mino izany aho
Ministera
Tonony ary izany
Valiny: Izaho mino an’Andriamanitra, Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany:
Ary an’i Jesoa Kristy, Zanani-lahy Tokana Tompontsika, Izay notorotoronina tamin’ny herin’ny Fanahy Masina, Naterak’i Maria Virijina, Nijaly tamin’ny nanapahan’i Pontio Pilato, Nohomboana tamin’ny hazo fijaliana, dia maty ka nalevina. Nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita. Ary nony tamin’ny andro fahatelo dia nitsangana tamin’ny maty, Dia niakatra any an-danitra, Ary mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra, Ray Tsitoha; Ary avy any no hihaviany indra hitsara ny velona sy ny maty.
Izaho mino ny Fanahy Masina;: Ny Eklesia Masina Katolika; Ny Fiombonan’ny Santa; Ny Famelan-keloka; Ny Fitsanganan’ny tena amin’ny maty, Ary ny fiainana mandrakizay Amena.
Ministera
MOA tianao va ny hatao batisa amin’izany finoana izany?
Valiny: Izany no tiako
Ministera
MOA hitandrina sy hankato ny sitrapon’Andriamanitra sy ny didiny masina va hianao, ka hitondratena araka izany amin’ny andro rehetra hiainanao?
Valiny: Hanao izany aho
Dia hataon’ny Presbytera hoe:
AOKA anie hiaraka halevina amin’i Kristy ny toetra nolovana tamin’i Adama ao amin’ity zaza (na olona) ity, ary hatsangana indray ny olona vaovao izy Amena.
Aoka ho faty ao anatiny anie ny filan-dratsin’ny nofo rehetra, ary aoka izay rehetra momba ny Fanahy no ho velona sy hitombo lalandava Amena
Aoka hahazo hery anie iey handreseny ny devoly sy izao tontolo izao ary ny nofo Amena
Aoka anie izay rehetra atolotra eto ho Anao amin’ny anjara raharahanay sy fanompoanay mba hampidinanao fahasoavana avy any an-danitra ka homena fiainana mandrakizay noho ny famindram-ponao, Andriamanitra Tompo isaorana ô, fa Hianao no velona sady manapaka ny zavatra rehetra mandrakizay mandrakizay Amena
ANDRIAMANITRA Tsitoha sady velona mandrakizay ô, Jesoa Kristy Znakao malala dia nampilatsaka rano sy ra avy tamin’ny lanivoany soa indrindra ho famelana ny helokay, ary nandidy ny mpianany handeha sy hampianatra ny firenena rehetra, ary hanao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina; mifona aminao izahay, henoy ny fangatahan’ny fiangonanao; hamasino ity Rano ity ho fanasana hanafaka fahotana; ary aoka ity zaza (na olona) ity, izay efa hatao batisa ankehitriny, mba handray ny hafenoan’ny fahasoavana ka haharitra ho isan’ny zanakao mahatoky sy voafidy; amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay Amena
Dia hitrotro ny zaza ny Presbytera ka hiteny amin’ny mpiantoka azy hoe:
Lazao ny anaran’ity zaza ity.
Ary rehefa voalazany, dia hanonona ny anarany ny Presbytera, ary hanatsoboka azy ao anaty rano, na hampidina rano amin’ny lohany ka hanao hoe:
RA... Izaho manao batisa anao ho amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena.
Raha misy olon-dehibe hatao batisa, dia handray ny tànana ankavanany ny Presbytera ka hitondra azy ho eo akaikin’ny Fonta dia hanontaniany ny anarany amin’ny mpiantoka azy, ary hanatsoboka azy ao amin’ny rano, na hampidina rano eo amboniny ka hanao hoe:
RA...Izaho manao batisa anao ho amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena .
Dia hataon’ny Presbytera hoe:
MANDRAY ity zaza (na olona) ity ho isan’ny andian’ondrin’i Kristy isika, ka manamarika azy amin’ny mariky ny hazo fijaliana, ho famantarana fa hatrizao dia tsy ho menatra hanaiky ny finoana an’i Kristy, Izany nohomboana tamin’ny hazo fijaliana izy, ary hitombandahy hiady ao ambanin’ny fanevany, manohitra ny fahotana sy izao tontolo izao ary ny devoly, ka haharitra ho miaramila mahatoky sy ho mpanompon’i Kristy mandrapahafatiny. Amena (eto no hanaovan’ny Presbytera ny mariky ny hazo fijaliana eo amin’ny handrin’ny zaza)
Ary ny Presbytera dia hilaza hoe:
RY Havako, efa teraka indray ity zaza (na olona) ity, ka voatsofoka ao anatin’ny tenan’ny Eklesian’i Kristy, koa aoka isika hiara-misaotra an’Andriamanitra Tsitoha noho izany zava-tsoa izany, ary hangataka aminy, mba handehanan’ity zaza (na olona) ity amin’ny andro sisa hiainany araka izao iandohany izao.
Aoka isika hivavaka
Dia handohalika izy rehetra ka hanao hoe:
RAINAY Izay any an-danitra, Hohamasinina anie ny Anaranao: Ho tonga anie ny fanjakanao Hatao anie ny sitraponao: ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay, tahaka ny amelanao izay meloka taminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy: Fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amena.
Dia hoy ny presbytera hoe:
MISAOTRA Anao amin’ny fonay izahay, Ray mamindra fo indrindra ô, fa efa teraka indray amin’ny Fanahinao Masina ity zaza (na olona ) ity, sady voaray ho isan’ny zanakao amin’ny fananganana anaka, ary tafiditra ao amin’ny Eklesianao masina. Ary noho izy efa maty ny amin’ny ota ka niara-nalevina tamin’i Kristy ary velona ho amin’ny fahamarinana, dia mifona aminao izahay, aoka izy mba hanombo ny toetrany taloha amin’ny hazo fijaliana, ka hahafoana mihitsy izay mety ho ota; ary satria efa natao ho mpiombona ny Nahafatesan’ny Zanakao izy, dia aoka ho mpiombona ny fitsanganany tamin’ny maty koa, mba handovany ny fanjakanao mandrakizay miaraka amin’ny Eklesianao masina amin’ny farany: amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay Amena
Dia hitsangana izy rehetra, ary ny Presbytera dia hananatra ny mpiantoka ny zaza toy izao:
(Raha olon-dehibe no natao batisa, dia jereo pejy 134)
SATRIA ity zaza ity efa nanaiky tamin’ny alalanareo mpiantsoka azy, handà ny devoly sy ny asany rehetra sy hino an’Andriamanitra ary hanompo Azy; dia tsy maintsy tsarovanao fa adidinareo mihitsy ny mitandrina fa raha vao mahay mianatra izy, dia hampianarina ny voady sy fanekena masina efa nataony tamin’ny alalanareo.
Ary mba hahalalany tsaratsara kokoa izany zavatra izany, dia tsy maintsy asainareo mihaino toriteny izy; indrindra fa hotandremanareo mba hianatra ny Foto-pinoana sy ny Fivavahan’ny Tompo ary ny Didy Folo izy, sy ny zavatra hafa rehetra , izay tokony ho fantatry ny Kristiana sy hinoany ho fahafinaretan’ny fanahiny; sady aoka hotaizana araka ny toe-panahy Kristiana izy hitondrany tena tsara; koa tsarovy fa ny Batisa no maneho amintsika ny fanekentsika, dia izao; ny hanaraka izay nataon’i Kristy Mpamonjy antsika mba hatao tahaka Azy; fa tahaka ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty ho antsika, no tokony hahafatesantika koa amin’ny ota, ka hitsanganantsika ho amin’ny fahamarinana; ary hamono mihitsy ny filandratsintsika sady handroso isan-andro amin’ny fahatsaram-panahy sy ny fitondrantena tian’Andriamanitra.
Dia hiteny koa ny Presbytera ka hanao hoe:
TSY maintsy tandremanareo mba hatolotra amin’ny Eveka ity zaza ity hatao Konfirmationa, rehefa mahalala tsara ny Foto-pinoana sy ny Fivavahan’ny Tompo ary ny Didy Folo izy, sy ny Katekisman’ny Eklesia, izay voatendry hianarany.
Araka ny Tenin’Andriamnitra, dia fantatra marina, fa raha maty fony tsy mbola nanota ny zazakely izay efa natao batisa, dia voavonjy marina tokoa.