TOMPO ô, avy aminao ny soa rehetra; Koa omeo fahasoavana izahay mpanompoanao mba hahaizanay misaotra Anao tokoa noho ny soa azonay amin’ny vokatry ny tany; aoka mba ho feno fitiavana Anao izahay, ka hamoa zato heny amin’izaofiainana izao, ary amin’ilay fararano amin’ny andro farany, dia ho isan’ny vary tsara anie izahay, ka hiotaomin’ny anjely mpijinja ho ao an-tsompitrao; amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay Amena.