NY foko mankalaza ny Tompo: ary ny fanahiko efa ravoravo tamin’Andriamanitra, Mpamonjy ahy:
2. Fa efa nijery: ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy
3. Fa indro hatramin’ny ankehitriny: dia hataon’ny taranaka rehetra ho sambatra aho
4. Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko: ary masina ny Anarany
5. Ary ny famindrampony dia amin’izay matahotra Azy: hatramin’ny taranaka fara mandimby
6. Nanao asa lehibe tamin’ny sandriny Izy: nampihahaka ny mpiavonavona tamin’ny fiheverenan’ny fony Izy
7. Nampiala ny lehibe tamin’ny seza fiandrianany Izy: ary nanandratra ny ambany kosa
8. Ny noana novokisany soa: fa ny manan-karena kosa nampialainy maina
9. Niahy an’Israely mpanompony Izy: fa nahatsiaro ny famindrampony
10. (Araka ny voalazany tamin’ny razantsika): tamin’I Abrahama sy ny taranany mandrakizay.
Ho an’ny Ray, sy ny Zanaka: ary ny Fanahy masina anie ny voninahitra;
Tahaka ny hatramin’ny taloha, sy ankehitriny; ary mandrakariva, ho mandrakizay, doria. Amena