Rainay izay any an-danitra


Retour

RAINAY Izay any an-danitra, Hohamasinina anie ny Anaranao: Ho tonga anie ny fanjakanao  Hatao anie ny sitraponao: Ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay, tahaka ny amelanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy: fa manafaha anay amin’ny ratsy: Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra, mandrakizay. Amena

Dia hataon’ny Ministera hoe:

Tompo ô, sokafy ny molotray

Valiny

Dia hanambara ny fiderana Anao ny vavanay

Ministera

Andriamanitra ô, faingana hamonjy anay

Valiny

Tompo ô, faingàna hanampy  anay

Dia hitsangana izy rehetra, ka ny Ministera no hanao hoe:

Ho an’ny Ray, sy ny Zanaka: ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra:

Valiny

Tahaka ny hatramin’ny taloha sy ankehitriny: ary mandrakariva, ho mandrakizay doria Amena

Numéro de page - 27

Ministera

Miderà ny Tompo hianareo

Valiny

Hoderaina anie ny Anaran’ny Tompo

Dia hotononina sy hohiraina ny Salamo araka ny filaharana voatendry. Ary manaraka izany dia hovakiana ny Lesona voalohany avy amin’ny Testamenta Taloha. Ary manaraka izany ny Magnificat dia ny hira nataon’I Maria Virijina Sambatra.

Numéro de page - 28