S.tomasy


Retour

ANDRIAMANITRA Tsitoha sy mandrakizay ô,Ianao dia namela an’i S.Tomasy Apostolinao masina hisalasala ny amin’ny nitsanganan’ny Zanakao tamin’ny maty mba hanamafy ny finoanay: Koa mangataka aminao izahay mba tsy havelanao hisalasala akory, fa hino tokoa an’i Jesoa Kristy Zanakao mba tsy ho diso finoana eo anatrehanao; henoy izahay, Tompo ô, amin’ny alaln’i Jesoa Kristy, Izay omem-boninahitra sy laza miaraka aminao sy ny Fanahy Masina, ankehitriny sy mandrakizay Amena

Numéro de page - 113