ANDRIAMANITRA Tsitoha ô, Hianao efa nanome fahasoavana anay hiraisanay saina hangataka aminao ankehitriny izao; Hianao manaiky hanome izay angatahin’ny roa na telo miangona amin’ny Anaranao: Tanteraho amin’izao Tompo ô, ny angatahinay mpanomponao, araka izay antonony ho anay; ampahalalao ny fahamarinanao izahay amin’izao fiainana izao, , ary amin’ny ho avy omeo fiainana mandrakizay. Amena.
2 Kor 13.14
NY fahasoavan’I Jesoa Kristy Tompontsika, sy ny fitiavan’Andriamanitra, ary ny fampiraisan’ny Fanahy Masina, ho amintsika rehetra anie mandrakizay Amena.
Tapitra ny filaharan’ny Fivavahana fanao isa-maraina.