Fandevenana


Retour

Tsarovy, fa izao fivavahana fanao amin’ny fandevenana izao, dia tsy hatao amin’izay vita batisa, na ny naogan’ny Eklesia, na ny naomo tena.

Ny Presbytera dia hitsena ny Fatyeo am-bavahadin’ny tokotanim-piangonana dia hialoha ho aoa am-piangonana ka hanao hoe:

IZAHO no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay S.Jao xi.25,26.

FANTATRO fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin'ny vovoka Izy. Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an'Andriamanitra; Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Joba xix 25-27.

Fa tsy nitondra na inona na inona hoa amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala 1Timoty vi.7

NITANJAKA no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i Jehovah.Joba i.21

Ary rehefa tafiditra ao am-piangonana, dia hovakiana ny ananakiray amin’ireto salamao ireto na izy roa.

Salamo 39

Salamo 90

 

Dia hovakiana amin’izao ny Lesona

1Kor xv.20-58

Numéro de page - 166

Ary rehefa tonga eo amin’ny fasana ny olona, ka efa manamboatra ny Faty halevina, dia hataon’ny Poresbytera hoe, na hohiraina

NY olona tera-behivavy dia vitsy  andro sady votom-pahoriana. Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjaina, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.

Raha mbola salama tsy marofy aza izahay, dia efa antomotra ny fahafatesana sahady; ary amin’iza no hitadiavany fanampiana afa-tsy aminao ihany Tompo ô, izay tezitra marina tokoa noho ny fahotanay?

Kanefa Andriamanitra Tompo masina ô, Tompo mahery, Mpamonjy masina sy mamindra fo ô, manafaha anay mba tsy hiharan’ny ngidin’ny fahafatesana mandrakizay.

Tompo ô,Ianao mahalala ny miafina ao am-ponay; henoy amin’ny famindramponao ny fivavahany; iantrao izahay, Tompo masina, Andriamanitra mahery, Mpamonjy masina sy mamindra fo, Mpitsara marina sy mandrakizay ô, aza avela hiala aminao izahay, noho ny fampangirifirian’ny fahafatesana, raha omby eo am-bavahoana.

Dia hanao izao teny manaraka izao ny Presbytera, ary izay mijanona eo akaiky dia handraraka tany eo ambonin’ny fety.

SATRIA efa sitrak’Andriamanitra Tsitoha noho ny famindrampony lehibe indray ny fanahin’ity havantsika malala vao lasa ity, dia atolotsika ny tany ny tenany; tany ho tany, lavenona ho lavenona, vovoka ho vovoka; nefa atolotra amin’ny fanantenana mahatoky ny hitsanganana ho amin’ny fiainana mandrakizay, amin’ny alaln’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay hanova endrika ny tenan’y fanetren-tenantsika hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny, araka ny fiasan’ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra Azy.

Numéro de page - 167

Dia hotononina na hohiraina:

MAHARE feo avy tany an-danitra aho manao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ny Tompo hatramin’izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy.

 

 

Ary ny Presbytera dia hanao hoe:

Tompo ô mamindra fo aminay

Kristy ô, mamindra fo aminay

Tompo ô, mamindra fo aminay

RAINAY Izay any an-danitra. Hohamasinina anie ny Anarano: Ho tonga anie ny fanjakanao Hatao anie ny sitraponao: Ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay tahaka ny amelanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amena

Ny Presbytera

ANDRIAMANITRA Tsitoha ô, any aminao no ahaveloman’ny fanahinizay maty ao amin’ny Tompo, ary any aminao no ifalian’ny fanahin’ny mino sy ahasambarany,n rehefa afaka amin’ny fahavesaran’ny nofo izy; Misaotra Anao tokoa izhaay, satria efa sitrakao hanafaka ity havanay ity amin’ny fahorian’izao fiainana be fahotana izao; ary mifona aminao izahay,n aoka ho sitrakao hahatanteraka vetivety ny isan’ny olom-pidinao sy hampahatonga faingana ny fanjakanao; aoka izahay sy izay rehetra efa lasa tamin’ny finoana marina ny Anaranao masina mba handray fahasambarana sy fifaliana tanteraka amin’ny tena sy ny fanahiny ao amin’ny voninahitrao maharitra mandrakizay ho mandrakizay; amin’ny alaln’i Jesoa Kristy Tomponay Amena

Numéro de page - 168

Ny Kolekta

ANDRIAMANITRA mamindra fo ô, Rain’i Jesoa Kristy Tomponay, Izay Fananganana ny maty sy Fiainana, Izy no ahaveloman’ny mino na dia maty aza, fa izay rehetra velona ka mino Azy dia tsy hofaty mandrakizay; ary koa Izy no nampianatra anay (tamin’i Spaoly Apostoly masina) mba tsy halehelo izay efa nodi-mandry ao aminy tahaka nysasany tsy manana fanantenana: mitaraina aminao izahay, Ray ô mba hanangana anay izay  maty ao amin’ny fahotana mba ho velona amin’ny fahamarianan; ary rehefa miala amin’izao fiainana izao izahay, aoka mba hitoetra koa ao amin’i Kristy, Izay antenainay fa itoerani’ty havanay ity; ka amin’ny fananganana ny maty amin’ny andro farany, mba horaisinay anie ny fitahiana hotononin’ny Zanakao malala aminao hoe: Avia, ry zanaka notahian’y Raiko, mandovà ny fanjakana voavoatra ho anareo rahatrizay nanorenana izao tontolo izao. Omeo izany, Ray mamindra fo ô, amin’ny alaln’i Jesoa Kristy Mpanalalana sy Mpanavotra anay Amena.

Ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny fitiavan’Andriamanitra ary ny fampiraisan’ny Fanahy Masina ho amintsika rehetra anie mandrakizay Amena.

Numéro de page - 169

Ary ireto Fivavahana roa ireto dia hatao ao am-piangonana:

RAY ô, mitaraina aminao izahay mba ho an’ireo izay tianay, kanefa tsy hitanay intsony. Omeo azy ireo ny fiadananao; aoka ny fahazavana mandrakizay hamirapiratra aminy; ary tanteraho ao aminy ny sitraponao, noho ny fahendrenao feno fitiavana sy ny herinao tsitoha; amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay Amena

ANDRIAMANITRA Tsitoha ô Rain’ny famin-drampo rehetra, sady Mpanome ny fiononana rehetra, mitaraina aminao izahay, mamindra fo amin’ireo izay misaotra, ka aoka izy hahalala ny fampionan’ny fitiavanao, noho ny fametrahany ny tokiny aminao; amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay Amena.

Numéro de page - 170