Fivavahana atao eo am-pandohalehana


Retour

  1. Kristy dia nanaiky hatramin’ny fahafatesana ho antsika.

 

  1. Dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana. Aoka isika hivavaka.

 

Kolekta

 

ANDRIAMANITR TSITOHA ô, mifona aminao izahay, tsinjovy amin’ny fahasoavanao ny mpianakavinao, izay netezan’Jesoa Kristy Tomponay havadika sy hatolotra amin’ny tànan’ny olona ratsu fanahy, ary hiaritra ny fahafatesana tamin’ny Hazo fijalina : Nefa velona sy miara-manjaka Aminao sy ny Fanahy Masina Izy ankehitriny. Andriamanitra Iray ihany, mandrakizay mandrakizay. Amena.

 

Na ity :

 

ANDRIAMANITRA TSITOHA SY MANDRAKIZAY ô, noho ny fitiavanao ny olona dia nirahinao Jesoa Kristy Zanakao Mpamonjy anay mba ho tonga noho, ka hiaritra ny fahafatesana tamin’ny Hazo fijaliana hanarahan’ny olona rehetra ny fanetren-tenany lehibe : koa omeo fahasoavana izahay mba hanarahanay ny diany tamin’ny niaretany ; ka ho tonga mpiombona amin’ny fitsanganany tamin’ny maty koa : amin’ny alalan’Jesoa Kristy Zanakao Tomponay ; Izay miara-belona sy miara-manjaka Aminao amin’ny firaisan’ny Fanahy Masina. Andriamanitra Iray ihany, mandrakizay mandrakizay. Amena.

 

Ny Mpitarika : Aoka isika hivavaka ho an’ny fanahin’ny Kristiana izay efa lasa nodimandry.

 

  1. Omeo azy Tompo ô, ny fiadananao tsy manam-pahataperana ;

 

  1. Ary aoka hamirapiratra aminy ny fahazavanao mandrakizay.

 

Ny Mpitarika

 

Hitahy sy hiaro antsika mandrakariva anie Jesoa Kristy Tompontsika Izay nokapohina sy nitondra ny Hazo fijaliany ary voahombo teo, noho ny fitiavany antsika !

 

Amena.

Numéro de page - 8