Fijanonana fahafolo


Retour

  1. Mitsaoka sy midera Anao izahay, ry Kristy ô ;

R        Satria ny Hazo fijalianao no nanomjenao izao tontolo izao.

 

Ny Mpitarika : Nesorina teo an-tànan’ny Reniny malala ny fatin’i Jesoa ary napetraky ny mpianatra tao anaty fasana ny Tompon’ny aina. Hateloana no nitoeran’ny Fatin’i Jesoa tao am-pasana mandra-pahatongan’ny fotoana nitsanganany tamin’ny maty. Jesoa malalantsika dia efa nandeja namaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana ; ka noho izany dia fantantsika fa Izy no hitari-dàlana izay rehetra manaraka Azy hatramin’ny fahafatesana. « Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ny Tompo ».

 

Tarihin’ny Mpitarika :

Ry Jesoa Tsara ô, izahay koa dia tsy maintsy miala eto amin’ity fiainana ity, amin’ny fotoana ankasitrahanao. Ary amin’izany, dia tsy maintsy hafoinay ny zavatra rehetra anananay eto ambonin’ny tany ; koa aoka izahay mba hatoky sy ho vonona lalandava, raha tonga izany fotoana izany.

 

Eo am-pandohalehana :

Malahelo izahay, ry Jesoa Kristy ô, noho ny fahotanay izay niaretanao ny fahoriana be. Aoka hitombo ao am-ponay ny fitiavanay Anao, ka tsy hanota intsony izahay, fa hiezaka mafy hanao ny sitraponao amin’ny zavatra rehetra. Amena.

 

Eny am-pandehanana

Manandratra feo

Toy ny riaka,

Mihobia mafy

‘Lay nandatsa-dra.

Aoka hoderain’ny olona

Sy ny Anjely ambony koa

Hianao Mpamonjy be fitia

Izay tra-doza hahasoa.

 
Numéro de page - 7