R Satria ny Hazo fijalianao no nanomjenao izao tontolo izao.
Ny Mpitarika : Lasa nody ny vahoaka rehetra, afa-tsy ny Renin’ny tompo sy ilay mpianatra tiany ary ny sakaizany vitsivitsy. Tonga eo am-pototry ny Hazo fijaliana Josefa avy any Arimatia sy Nikodemosy, ary nampidininy ny Tenan’ny Tomp. Eritrereto ny alahelo mafy nanjo ny Reniny malala raha nandray am-pitiavana lehibe ny Fatin’Jesoa Zanany izy. Nefa na dia izany aza, nisy fifaliana koa tao am-pony satria fantany fa vita tanteraka ny adidiny masina nomen’Andriamanitra ataony raha voafidy ho Renin’ny Zanak’Andriamanitra izy.
Tarihin’ny Mpitarika :
Ry Jesoa Tsara ô, Hianao dia tia ny Reninao malala, ary nanolotra azy hokarakarain’i Santa Jaona. Ampio izahay hanaraka ny diany tsara, ka hampiseho ny fanetre-tena, sy ny fahasotoana hanatanteraka ny adidy masina omenao ataonay. Ary enga anie mba hivavaka ho anay mandrakariva, ny Reninao masina sy Santa rhetra any an-danitra.
Eo am-pandohalehana :
Malahelo izahay, ry Jesoa Kristy ô, noho ny fahotanay izay niaretanao ny fahoriana be. Aoka hitombo ao am-ponay ny fitiavanay Anao, ka tsy hanota intsony izahay, fa hiezaka mafy hanao ny sitraponao amin’ny zavatra rehetra. Amena.
Eny am-pandehanana :

Mifamaly dera,
Mifanaraka
Feon’ny Anjely
Sy ny olona.
Fa raha ny fo sy aiko koa
Atolotra ho fanatitra e !
Dia zinona izany moa ?
Fa ny fitianao no be.