R Satria ny Hazo fijalianao no nanomjenao izao tontolo izao.
Ny Mpitarika : Eritrereto lalina fa nandritra ny ora telo no nihantonan’Jesoa Kristy teo ambonin’ny Hazo fijaliana. Efa niteny ny teny fito feno fitiavana Izy izao ; efa vitany ho antsika avokoa ny zavatra rehetra. Manondrika ny lohany Izy izao, ka manaiky ho faty ary manolotra ny Fanahiny ho eo an-tànan’ny Rainy. Tsaroantsika amim-pisaorana lehibe fa izany Fahafatesana masina indrindra izany ho nanavotany antsika mpanota.
Tarihin’ny Mpitarika :
Ry Jesoa Tsara ô, Hianao dia maty teo ambon’ny Hazo fijaliana, noho ny fitiavanao anay. Izany fahafatesanao izany, no hahazoanay ny famelanao ny helokay, sy ny fiainana mandrakizay. Aoka izahay ho tia Anao tokoa, ary ho vonona hanaraka Anao hatramin’ny fahafatesana
Eo am-pandohalehana :
Malahelo izahay, ry Jesoa Kristy ô, noho ny fahotanay izay niaretanao ny fahoriana be. Aoka hitombo ao am-ponay ny fitiavanay Anao, ka tsy hanota intsony izahay, fa hiezaka mafy hanao ny sitraponao amin’ny zavatra rehetra. Amena.
Eny am-pandehanana :
Hoy ny ran’i Abela :
Tompo ô, valio !
Hoy ny ran’i Kristy :
Raiko ô, tahio !
Ny tànana aman-tongotrao,
Ny lohanao, dia latsa-dra :
Ka dia ny fahorianao
Ka dia ny fahorianao