Fijanonana fahafito


Retour

  1. Mitsaoka sy midera Anao izahay, ry Kristy ô ;

R            Satria ny Hazo fijalianao no nanomjenao izao tontolo izao.

 

Ny Mpitarika : Diniho fa atao Fanatitra izao Jesoa. Raha nampandry Azy teo amin’ny Hazo fijaliana ny miaramila dia natolotr’Jesoa ny Tenany tamin’ny miaramila hofantsihany amin’ny Hazo fijaliana ; ary tamin’izany koa no nanolorany ny Tenany tamin’ny Rainy ho Fanavotana izao tontolo izao. Tsaroantsika ny tenin’Jesoa hoe : « Izaho, raha asandratra hiala amin’ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy ».

 

Tarihin’ny Mpitarika :

 

Ry Jesoa Tsara ô, izay mifantsika eo amin’ny Hazo fijaliana, aoka ny fonay mba hifikitra amin’izany koa. Ampaherezo izahay hanolotra aminao, ny sainay sy ny fanahinay ary ny tenanay, ho fanatitra mety sy masina ary velona, mba hanaovanay isan’andro ny sitraponao masina.

 

Eo am-pandohalehana :

Malahelo izahay, ry Jesoa Kristy ô, noho ny fahotanay izay niaretanao ny fahoriana be. Aoka hitombo ao am-ponay ny fitiavanay Anao, ka tsy hanota intsony izahay, fa hiezaka mafy hanao ny sitraponao amin’ny zavatra rehetra. Amena.

 

Eny am-pandehanana :

Mendrika hohajaina

Ka hisaorana

Famelana ota

Aman-keloka.

Tsy misy ataoko rehareha

Raha tsy ny nijalianao

            Ny zava-poana izay taloha

            Dia laviko voavotrao.

Numéro de page - 4