R Satria ny Hazo fijalianao no nanomjenao izao tontolo izao.
Ny Mpitarika : Tonga eo an-tampon’i Kalvary izay havoana fandatsahan-dra izao Jesoa, ary eo no hamonoan’ireo olon-dozabe Azy. Vonona hatao Fanatitra izao Ilay Zanak’ondry masina. Esorina amin’ny Mpamonjy ny fitafiany. Misokatra indray tamin’izay feriny rehetra ka mihetsika indray ny fijaliana rehetra nanjo Azy tamin’ny nikapohana Azy. Nefa tsy noheveriny ny henatr’olona mba hampianatra antsika ho vonona hizaka henatra noho ny fitiavantsika Azy.
Tarihin’ny Mpitarika :
Ry Jesoa Tsara ô, tonga eo amin’ny tany hamonoana anao Hianao, kanefa tsy niloa-bava nitaraina akory. Mampianatra anay hianao, hahatsindry fo raha tezitra, ary tsy himonomonona raha hiaram-pahoriana. Nitondra henatra sy latsa Hianao noho ny asanay mahamenatra : Koa ampio izahay mba hahaizanay mibebaka marina tokoa na dia mahamenatra aza izany, mba hahazoanay ny famelan-keloka tanteraka avy aminao sy hankahalanay ny ratsy.
Eo am-pandohalehana :
Malahelo izahay, ry Jesoa Kristy ô, noho ny fahotanay izay niaretanao ny fahoriana be. Aoka hitombo ao am-ponay ny fitiavanay Anao, ka tsy hanota intsony izahay, fa hiezaka mafy hanao ny sitraponao amin’ny zavatra rehetra. Amena.
Eny am-pandehanana :
Mahasoa ny Rany,
Mahavelona,
Toy ny indrafony,
Tsy mitsahatra.
Raha andrandraiko ny Lakroa
Mpanjakam-boninahitra ô,
Mifikitra aminao ny fo,
Mandà izao rehetra izao.