R Satria ny Hazo fijalianao no nanomjenao izao tontolo izao.
Ny Mpitarika : Eritrereto ny halehiben’ny fitiavana nasehon’ny Tompo. Toa hadinony ny fahoriany mba hiheverany ny fahorian’ireo vehivavy, ka hoy Izy taminy : ry zanakavavin’i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo. Ny anton’ny nilazany izany dia ny mba hahafantarantsika fa tsy misy antony ny fitomaniantsika Azy noho ny fahoriana mafy manjo Azy raha tsy ny fahotantsika izay fototry ny fahoriany no ibebahantsika aloha.
Tarihin’ny Mpitarika :
Ry Jesoa Tsara ô, jereo amin’ny mason’ny famindramponao izahay, ka omeo anay ny herinao tsitoha, mba hiarahanay amin’ireo zanakavavin’i Jerosalema, hanaraka Anao mandrakariva eo amin’ny Làlan’ny Hazo fijaliana, mba hahazoanay koa ny fampionanao masina.
Eo am-pandohalehana :
Malahelo izahay, ry Jesoa Kristy ô, noho ny fahotanay izay niaretanao ny fahoriana be. Aoka hitombo ao am-ponay ny fitiavanay Anao, ka tsy hanota intsony izahay, fa hiezaka mafy hanao ny sitraponao amin’ny zavatra rehetra. Amena.
Eny am-pandehanana :
Laza ho an’Ieso Ny fo mangorakoraka
‘Zay nandatsa-dra Ny ria-dranomasonay
Avotra ho antsika dia tsy holavinao tokoa,
Tamin’ny Lakroa Ry voahombo ho anay.