Fijanonana fahefatra


Retour

  1. Mitsaoka sy midera Anao izahay, ry Kristy ô ;

R        Satria ny Hazo fijalianao no nanomjenao izao tontolo izao.

 

Ny Mpitarika : Endrey ny hatsaram-pon’Jesoa amintsika olombelona, fa nanaiky hampian’i simona Kyreniana Izy tamin’ny nitondrany ny Hazo fijaliany ! Tsy noho Izy tsy manan-kery anefa, fa noho Izy ta-hampianatra antsika hiombona fahoriana aminy araka ny teniny hoe : « Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny azo fijaliana ka hanaraka Ahy ».

 

Tarihin’ny Mpitarika :

Ry Jesoa Tsara ô, ampaherezo izahay, hitondra sy hahazaka amim-pifaliana ny hazo fijalianay isan-andro, ka hanaraka anao ; ary aoka izahay ho vonona lalandava hanampy ny namanay, amin’ny fahoriana rehetra manjo azy.

 

Eo am-pandohalehana :

Malahelo izahay, ry Jesoa Kristy ô, noho ny fahotanay izay niaretanao ny fahoriana be. Aoka hitombo ao am-ponay ny fitiavanay Anao, ka tsy hanota intsony izahay, fa hiezaka mafy hanao ny sitraponao amin’ny zavatra rehetra. Amena.

Eny am-pandehanana :

Koa enga ka ho tianatsika                       Avia ambanin’ny Lakroa

Harahintsika dia                                           Mba hanasan’ny Ra antsika

Ilay Mpamonjy lehibe,                              Mba ho madio am-po tokoa

Sy Tompo be fitia.                                       Voahombo Ieso Tompontsika

Numéro de page - 1