R Satria ny Hazo fijalianao no nanomjenao izao tontolo izao.
Ny Mpitarika : Efa mby eny an-dalambe mankany Kalvary izao Jesoa. Noho ny Rany mandeha betsaka vokatry ny nikapohana Azy sy ny Satro-tsilo eo amin’ny lohany, dia reraka mafy loatra Izy, ka lavo sady voatsindrin’ny Hazo fijaliana mavesatra ; ary ambara-piariny dia notevatevain’ny miaramila sy izay mandalo Izy, nefa tsy tezitra akory. Izany dia mampianatra antsika, fa raha sendra latsaka amin’ny herin’ny fahotana isika, dia mba hiarina indray ka hanao asa tsara ho fampisehoana marina ny fibebahantsika.
Tarihin’ny Mpitarika :
Ry Jesoa Tsara ô, ahinjiro ny tànanao mahery, hamonjy anay izay eto afovoan’ny loza marobe. Ampaherezo izahay hanaraka Anao amin-kerim-po, ary vonjeo izahay mba tsy ho latsaka amin’ny fahotana mahatsiravina.
Eo am-pandohalehana :
Malahelo izahay, ry Jesoa Kristy ô, noho ny fahotanay izay niaretanao ny fahoriana be. Aoka hitombo ao am-ponay ny fitiavanay Anao, ka tsy hanota intsony izahay, fa hiezaka mafy hanao ny sitraponao amin’ny zavatra rehetra. Amena.
Eny am-pandehanana :
Isika tsy mba misy soa
Hidirantsika ao ;
Fa izy irery no nandoa
Ny vidin-keloka.
Impito nitenenany
‘Zay tenim-pitiavana,
Ka ela no nifonany ;
Voahombo Ieso Tompontsika.