Ny Mpitarika : Eritrereto ny fanetren-tena mahagaga nasehon’ny Tompo raha nandray io Hazo mahatsiravina hamonoana Azy io Izy, dia ilay Hazo napetraky ny miaramila teo amin’ny sorony efa mangana sy mandeha ra. Ny anton’izany dia ny mba hampianarany antsika hitondra ny hazo fijaliantsika ; izany hoe : hizaka amim-pandeferana ny fahoriana rehetra izay mamely antsika.
Tarihin’ny Mpitarika :
Ry Jesoa Tsara ô, Tsy Hianao no tokony hitondra io Hazo fijaliana io, satria tsy mana-tsiny Hianao : fa izahay mpanota feno haratsiana, no tokony hivesatr’izany. Koa ampaherezo izahay mba haka tahaka Anao, raha zoim-pahoriana na tra-doza eto amin’ity fiainana ity, mba hanarahanay Anao eo amin’ny lalàna nalehanao, ka hahatongavanay any an-danitra rahatrizay.
Eo am-pandohalehana :
Malahelo izahay, ry Jesoa Kristy ô, noho ny fahotanay izay niaretanao ny fahoriana be. Aoka hitombo ao am-ponay ny fitiavanay Anao, ka tsy hanota intsony izahay, fa hiezaka mafy hanao ny sitraponao amin’ny zavatra rehetra. Amena.
Eny am-pandehanana :
Hanavotra sy hanasoa
No nahafatesany ;
Ka indro voavoha koa
Ny hidin-danitra
Ny tongotra aman-tànany
Noboroaham-pantsika
Ka mahamay ny tendany :
Vohombo Ieso Tompontsika