Fijanonana voalohany


Retour

  1. Mitsaoka sy midera Anao izahay, ry Kristy ô ;
  1. Satria ny Hazo fijalianao no nanomjenao izao tontolo izao.

 

Ny Mpitarika : Diniho sy eritrereto ny faharetana mahagaga nasehon’ny Tompo raha nahare izany fanamelohana tsy marina izany Izy, ary tsarovy fa Ilay Jesoa Izay notsarain'’ Pilato no ho avy indray ho Mpitsara izao tontolo izao. Tsy i Pilato irery anefa no nanameloka Azy fa isika rehetra koa dia nangataka Azy hovonoina tamin’ny fotoana nanotantsika. Koa noho izany dia aoka isika halahelo mafy ka hiara-manao hoe :

 

Dia tarihin’ny Mpitarika izao fivavahana izao :

 

Ry Jesoa Tsara ô, ny fahotanay ihany no anton’ny nanamelohana Anao ho faty : ka omeo anay ny fahasoavanao, mba hankahalanay ny ratsy amin’ny fonay rehetra ; ary aoka ny fibebahanay, sy ny asa tsara hataonay, no hahazoanay ny famelan-keloka, sy ny famindram-po avy aminao.

 

Dia atao eo am-pandohalehana na mitsangana izao fivavahana izao, ary atao isaky ny FIJANONANAna hoe :

Malahelo izahay, ry Jesoa Kristy ô, noho ny fahotanay izay niaretanao ny fahoriana be. Aoka hitombo ao am-ponay ny fitiavanay Anao, ka tsy hanota intsony izahay, fa hiezaka mafy hanao ny sitraponao amin’ny zavatra rehetra. Amena.

 

V.Mamindrà fo aminay, Tompo ô

R. Mamindrà fo aminay.

V.Mpamonjy izao tontolo izao ô, Hianao efa nanavotra anay tamin’ny Hazo fijaliana sy ny Ranao Soa indrindra ;

R.Tompo ô, mifona aminao izahay, vonjeo sy ampio izahay.

 

Dia mitsangana izy rehetra ary mandroso ho any amin’ny FIJANONANAna

manaraka, ka atao izao hira izao :

Tsy azontsika tantaraina                      Ny ranomasontsika va

Ny Nijaliany tao                                      Ho tana tsy hirotsaka

Kanefa mba ho avotra aina               Mahita Ilay mihantona ?

No nihantonany                                      Voahombo Ieso Tompontsika

 

Numéro de page - 0